وه‌رگێڕانی ماناكانی قورئانی پیرۆز - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

ژمارەی پەڕە:close

external-link copy
39 : 35

هُوَ ٱلَّذِي جَعَلَكُمۡ خَلَٰٓئِفَ فِي ٱلۡأَرۡضِۚ فَمَن كَفَرَ فَعَلَيۡهِ كُفۡرُهُۥۖ وَلَا يَزِيدُ ٱلۡكَٰفِرِينَ كُفۡرُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ إِلَّا مَقۡتٗاۖ وَلَا يَزِيدُ ٱلۡكَٰفِرِينَ كُفۡرُهُمۡ إِلَّا خَسَارٗا

Izy no nanao anareo ho mpandimby eto an-tany. Izay tsy mino, dia izy no iharan’ny tsy finoany. Tsy manampy ny mpikomy ny tsy finoany, raha tsy fahafaham-baraka ihany. Ary tsy mampitombo afa-tsy fatiantoka ho an’ireo tsy mpino ny tsy finoany. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 35

قُلۡ أَرَءَيۡتُمۡ شُرَكَآءَكُمُ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ أَرُونِي مَاذَا خَلَقُواْ مِنَ ٱلۡأَرۡضِ أَمۡ لَهُمۡ شِرۡكٞ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ أَمۡ ءَاتَيۡنَٰهُمۡ كِتَٰبٗا فَهُمۡ عَلَىٰ بَيِّنَتٖ مِّنۡهُۚ بَلۡ إِن يَعِدُ ٱلظَّٰلِمُونَ بَعۡضُهُم بَعۡضًا إِلَّا غُرُورًا

Dia lazao hoe: “Hitanareo ve ireo nataonareo ho mpitambatra amin’i Allah izay antsoinareo ankoatra Azy? Asehoy ahy izay namboariny teto an-tany. Nandray anjara ve izy ireo tamin’ny fahariana ny lanitra? Sa nomenay Boky misy porofo?” Tsia! Fa fitaka ihany no fampanantenana ifanaovan’ireo mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 35

۞ إِنَّ ٱللَّهَ يُمۡسِكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضَ أَن تَزُولَاۚ وَلَئِن زَالَتَآ إِنۡ أَمۡسَكَهُمَا مِنۡ أَحَدٖ مِّنۢ بَعۡدِهِۦٓۚ إِنَّهُۥ كَانَ حَلِيمًا غَفُورٗا

Mihazona ny lanitra sy ny tany ho eo mandrakariva Allah. Ary raha miala teo izany, dia tsy misy afaka hihazona azy ireo ankoatra Azy. Fa Izy no be fangorahana, sy Mpamela heloka. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 35

وَأَقۡسَمُواْ بِٱللَّهِ جَهۡدَ أَيۡمَٰنِهِمۡ لَئِن جَآءَهُمۡ نَذِيرٞ لَّيَكُونُنَّ أَهۡدَىٰ مِنۡ إِحۡدَى ٱلۡأُمَمِۖ فَلَمَّا جَآءَهُمۡ نَذِيرٞ مَّا زَادَهُمۡ إِلَّا نُفُورًا

Ary nianiana tamin’i Allah tamim-pianianana hentitra izy ireo, fa raha misy mpampitandrina tonga amin’izy ireo, dia ho voatari-dàlana tsara noho ireo vahoaka hafa izy ireo. Nefa rehefa tonga tamin’izy ireo ny mpampitandrina (Mpaminany), dia vao mainka nampitombo ny fankahalan’izy ireo izany, info
التفاسير:

external-link copy
43 : 35

ٱسۡتِكۡبَارٗا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَكۡرَ ٱلسَّيِّيِٕۚ وَلَا يَحِيقُ ٱلۡمَكۡرُ ٱلسَّيِّئُ إِلَّا بِأَهۡلِهِۦۚ فَهَلۡ يَنظُرُونَ إِلَّا سُنَّتَ ٱلۡأَوَّلِينَۚ فَلَن تَجِدَ لِسُنَّتِ ٱللَّهِ تَبۡدِيلٗاۖ وَلَن تَجِدَ لِسُنَّتِ ٱللَّهِ تَحۡوِيلًا

noho ny fireharehana teto an-tany, sy ny tetika maloto. Nefa dia izay manao izany ihany no voasaron’ny teti-dratsy ataony. Miandry anjara hafa noho ny an’ireo teo aloha àry ve izy ireo? Nefa dia tsy hahita fanovana amin’ny lalàn’i Allah velively ianao, eny! Tsy hahita fiovana amin’ny lalàn’i Allah mandrakizay. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 35

أَوَلَمۡ يَسِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ فَيَنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡ وَكَانُوٓاْ أَشَدَّ مِنۡهُمۡ قُوَّةٗۚ وَمَا كَانَ ٱللَّهُ لِيُعۡجِزَهُۥ مِن شَيۡءٖ فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِۚ إِنَّهُۥ كَانَ عَلِيمٗا قَدِيرٗا

Tsy mbola nandeha nitety ny tany ve izy ireo, ka tsy nahita izay nahazo ireo niaina talohany, izay natanjaka tokoa noho izy ireo? Ary tsy misy afaka hampihena ny fahefan’i Allah, na any an-danitra na ety an-tany. Fa Mahefa sy Mahalala ny zavatra rehetra Izy. info
التفاسير: