Ka izay matahotra fiangarana na fahotana avy amin’ny mpanao ny didim-pananana ka nitsangana nandamina ny disadisa teo anivon’izy ireo, dia tsy misy fahotana ny aminy.tena marina fa Allah dia mpamela heloka sy be fiantrana.
Mandritra ny andro maromaro voaisa no hanatanterahana ny fifehezana. Koa raha misy aminareo marary na any am-pandehanana lavitra ka tsy nahavita nifehy, dia tsy maintsy manonitra izany amin’ny andro mitovy isa aminy. Fa ho an’ireo izay tsy afaka manatanteraka izany kosa noho ny antony tsy azo anoharana, dia onerany amin’ny fampisakafoanana mahantra iray. Fa izay manao soa mihoatra izany an-tsitra-po, dia fahasoavana ho azy izany; fa ny fifehezana no tsara ho anareo raha mba fantatrareo!
Ny volana Ramadany no nampidinana ny Kor’any, tari-dàlana ho an’ny olombelona ary ho fanazavana ny ny làla-marina ary fanavahana (lalàna). Ka izay eo an-toerana mandritra ny volana Ramadany, dia aoka izy hifehy, Fa ireo izay marary na
koa any am-pandehanana lavitra, dia tsy maintsy manolo izany araka ny isan’ny andro tsy vitany amin’ny andro manaraka. Mikendry fahamorana ho anareo Allah, fa tsy mitady fahasarotana ho anareo velively. Ary aoka ho fenoinareo ny isan’ny andro takiana, ary deraonareo ny halehiben’Allah tamin’ny nanitsiany anareo, mba hahatonga anareo hankasitraka.
Ary raha manontany anao ny Amiko ireo mpanompoko, dia lazao azy ireo ho e: “Tena marina, fa Izaho dia akaiky tokoa, mamaly ny antson’ireo mpitalaho Aho, raha miantso Ahy izy. Koa aoka izy ireny hanaiky sy hino Ahy, mba hizoran’izy ireo amin’ny làlan’ny fahitsiana”.