Aza lazainareo ho toy ny maty rehetra izay namoy ny ainy tamin’ny làlan’Allah. Fa raha ny marina, dia velona izy ireny, fa saingy tsy mahatsapa izany ianareo.
Fa Izahay dia tsy maintsy mampandalo fitsapana anareo amin’ny tebiteby, hanoanana, fihenan-karena sy ny olona ary ny vokatra. Koa ilazao vaovao mahafaly ireo manampaharetana;
Tena marina fa ny tendrombohitr’i Safà sy Marwà, dia anisan’ireo toerana Masin'i Allah, ka na iza na iza manao Hajj sy Oumra any amin’ilay trano masina dia tsy misy tsiny raha mivezivezy (im-pito) eo anelanelan’izy roa. Ary na iza na iza manao asa soa mihoatra an-tsitrapo, dia Allah no mahay mankasitraka indrindra sy Mahalàla ny zavatra rehetra.
Afa-tsy ireo izay nibebaka sy nanarina ny tenany ary nanambara ny marina, izy ireny no ekeko ny fibebahany. fa Izaho ilay mpandray ny fibebahana, ilay be fiantrana.