Oh ry vahoakako ! aoka ny fankahalanareo Ahy tsy hitarika Anareo ahazo sazy tahaka izay nahazo ny vahoakan’i Noa, ny vahoakan’i Hody na ny vahoakan’i Soalihy,ary ny vahoakan’i Lota dia tsy lavitra Anareo (ny ohatra momba izany).
Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! tsy mazava Aminay ny ankamaroan’ny zavatra izay teneninao, ary tena marina fa ny fahitanay Anao dia olona kanosa eo Aminay raha tsy nohon'ny foko izay misy Anao dia notorahanay vato tokoa iAnao. Ary tsy mba manan-danja mihitsy eo anatrehanay Ianao.
Namaly izy ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! moa ve manan-danja tokoa eo imasonareo ny foko izay misy Ahy noho i Allah izay hitodihanareo lamosina ankarihary ? Tena marina fa ny Tompoko dia mahafehy tsara izay rehetra atao nareo.
Oh ry vahoakako ! Miasà Ianareo araka ny fomba fiasanareo, ary izaho ihany koa dia hiasa (araka ny fomba fiasako), ary ho fantatrareo tsy ho ela, amin’iza no hianjera ilay sazy manala-baraka, ary iza (amintsika) no mpandainga. Ary miambena Ianareo, fa Izaho koa dia hiara-hiambina aminareo.
Ary rehefa tonga ny didinay, dia navotanay i Shoaibo (A.s) sy ireo izay nino niaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Taminay. Ary nianjady tamin’ireo mpanao ny tsy rariny ny Hiakiaka, ka indro izy ireo maty niampatra tao amin’ny toeram-ponenany avy.