Namaly i Noa hoe : " Tompo o ! Mitady fiarovana Aminao aho amin’ny fitalahoako izay tsy ananako fahalalana. Ary raha tsy mamela ny heloko ianao sy tsy mamindra fo amiko, dia ho isan’ireo very aho ”.
Izany no vaovao sasantsasan’Ilay Miafina izay lazainay Aminao. Tsy nahafantatra izany Ianao na ny vahoakanao talohan’izao. Manàna faharetana Ianao. Ka ny fiafarana sambatra indrindra, dia ho an’ireo izay manam-patahorana.