ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ: 231:221 close

external-link copy
89 : 11

وَيَٰقَوۡمِ لَا يَجۡرِمَنَّكُمۡ شِقَاقِيٓ أَن يُصِيبَكُم مِّثۡلُ مَآ أَصَابَ قَوۡمَ نُوحٍ أَوۡ قَوۡمَ هُودٍ أَوۡ قَوۡمَ صَٰلِحٖۚ وَمَا قَوۡمُ لُوطٖ مِّنكُم بِبَعِيدٖ

Oh ry vahoakako ! aoka ny fankahalanareo Ahy tsy hitarika Anareo ahazo sazy tahaka izay nahazo ny vahoakan’i Noa, ny vahoakan’i Hody na ny vahoakan’i Soalihy,ary ny vahoakan’i Lota dia tsy lavitra Anareo (ny ohatra momba izany). info
التفاسير:

external-link copy
90 : 11

وَٱسۡتَغۡفِرُواْ رَبَّكُمۡ ثُمَّ تُوبُوٓاْ إِلَيۡهِۚ إِنَّ رَبِّي رَحِيمٞ وَدُودٞ

Ary mangataha ny famelan-keloka avy amin’ny Tomponareo Ianareo ary mibebaha Aminy Tena marina, fa ny Tompoko dia be Fiantrana sy be fitiavana ”. info
التفاسير:

external-link copy
91 : 11

قَالُواْ يَٰشُعَيۡبُ مَا نَفۡقَهُ كَثِيرٗا مِّمَّا تَقُولُ وَإِنَّا لَنَرَىٰكَ فِينَا ضَعِيفٗاۖ وَلَوۡلَا رَهۡطُكَ لَرَجَمۡنَٰكَۖ وَمَآ أَنتَ عَلَيۡنَا بِعَزِيزٖ

Niteny izy ireo ka nanao hoe : “ Oh ry Shoaibo ! tsy mazava Aminay ny ankamaroan’ny zavatra izay teneninao, ary tena marina fa ny fahitanay Anao dia olona kanosa eo Aminay raha tsy nohon'ny foko izay misy Anao dia notorahanay vato tokoa iAnao. Ary tsy mba manan-danja mihitsy eo anatrehanay Ianao. info
التفاسير:

external-link copy
92 : 11

قَالَ يَٰقَوۡمِ أَرَهۡطِيٓ أَعَزُّ عَلَيۡكُم مِّنَ ٱللَّهِ وَٱتَّخَذۡتُمُوهُ وَرَآءَكُمۡ ظِهۡرِيًّاۖ إِنَّ رَبِّي بِمَا تَعۡمَلُونَ مُحِيطٞ

Namaly izy ka nanao hoe : " Oh ry vahoakako ! moa ve manan-danja tokoa eo imasonareo ny foko izay misy Ahy noho i Allah izay hitodihanareo lamosina ankarihary ? Tena marina fa ny Tompoko dia mahafehy tsara izay rehetra atao nareo. info
التفاسير:

external-link copy
93 : 11

وَيَٰقَوۡمِ ٱعۡمَلُواْ عَلَىٰ مَكَانَتِكُمۡ إِنِّي عَٰمِلٞۖ سَوۡفَ تَعۡلَمُونَ مَن يَأۡتِيهِ عَذَابٞ يُخۡزِيهِ وَمَنۡ هُوَ كَٰذِبٞۖ وَٱرۡتَقِبُوٓاْ إِنِّي مَعَكُمۡ رَقِيبٞ

Oh ry vahoakako ! Miasà Ianareo araka ny fomba fiasanareo, ary izaho ihany koa dia hiasa (araka ny fomba fiasako), ary ho fantatrareo tsy ho ela, amin’iza no hianjera ilay sazy manala-baraka, ary iza (amintsika) no mpandainga. Ary miambena Ianareo, fa Izaho koa dia hiara-hiambina aminareo. info
التفاسير:

external-link copy
94 : 11

وَلَمَّا جَآءَ أَمۡرُنَا نَجَّيۡنَا شُعَيۡبٗا وَٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ مَعَهُۥ بِرَحۡمَةٖ مِّنَّا وَأَخَذَتِ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلصَّيۡحَةُ فَأَصۡبَحُواْ فِي دِيَٰرِهِمۡ جَٰثِمِينَ

Ary rehefa tonga ny didinay, dia navotanay i Shoaibo (A.s) sy ireo izay nino niaraka taminy, nohon'ny famindram-po avy Taminay. Ary nianjady tamin’ireo mpanao ny tsy rariny ny Hiakiaka, ka indro izy ireo maty niampatra tao amin’ny toeram-ponenany avy. info
التفاسير:

external-link copy
95 : 11

كَأَن لَّمۡ يَغۡنَوۡاْ فِيهَآۗ أَلَا بُعۡدٗا لِّمَدۡيَنَ كَمَا بَعِدَتۡ ثَمُودُ

Tahaka ny tsy niaina teto (an-tany) izy ireo. Ho ringana anie ireo vahoaka Madiana, tahaka ny nandringanana ireo foko Samody. info
التفاسير:

external-link copy
96 : 11

وَلَقَدۡ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ بِـَٔايَٰتِنَا وَسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٍ

Ary efa nalefanay i Mosesy (Mosa) niaraka tamin’ireo fahagagana sy fahefana miharihary avy Taminay, info
التفاسير:

external-link copy
97 : 11

إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ فَٱتَّبَعُوٓاْ أَمۡرَ فِرۡعَوۡنَۖ وَمَآ أَمۡرُ فِرۡعَوۡنَ بِرَشِيدٖ

Ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Nefa nanaraka ny baikon’i Faraona izy ireo. Ny baikon’i Faraona anefa dia tsy manaraka ny fahamarinana. info
التفاسير: