Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心

Al-infitwar

external-link copy
1 : 82

إِذَا ٱلسَّمَآءُ ٱنفَطَرَتۡ

Rehefa hitresaka ny lanitra, info
التفاسير:

external-link copy
2 : 82

وَإِذَا ٱلۡكَوَاكِبُ ٱنتَثَرَتۡ

Rehefa hianjera hiparitaka ireo kintana. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 82

وَإِذَا ٱلۡبِحَارُ فُجِّرَتۡ

Rehefa hisafotofoto ka ho iray ireo ranomasina, info
التفاسير:

external-link copy
4 : 82

وَإِذَا ٱلۡقُبُورُ بُعۡثِرَتۡ

rehefa ho fongarina ny fasana. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 82

عَلِمَتۡ نَفۡسٞ مَّا قَدَّمَتۡ وَأَخَّرَتۡ

dia ho fantatra ny fanahy tsirairay avy ny nataony sy izay hiandry azy! info
التفاسير:

external-link copy
6 : 82

يَٰٓأَيُّهَا ٱلۡإِنسَٰنُ مَا غَرَّكَ بِرَبِّكَ ٱلۡكَرِيمِ

O ry olombelona! Inona loatra no nahavoafitaka anareo ka tsy nankatoavanareo ny Tomponareo feno fahamendrehana? info
التفاسير:

external-link copy
7 : 82

ٱلَّذِي خَلَقَكَ فَسَوَّىٰكَ فَعَدَلَكَ

Izay nahary anao sy nandrafitra anao ho feno ary nanome endrika mirindra ho anao, info
التفاسير:

external-link copy
8 : 82

فِيٓ أَيِّ صُورَةٖ مَّا شَآءَ رَكَّبَكَ

Ary tamin'ny endrika isan-karazany araka izay tiany no nandrafetany anao, info
التفاسير:

external-link copy
9 : 82

كَلَّا بَلۡ تُكَذِّبُونَ بِٱلدِّينِ

Tsia! Indrisy anefa fa nolavinareo ny fisian'ny fitsarana farany. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 82

وَإِنَّ عَلَيۡكُمۡ لَحَٰفِظِينَ

Nefa misy marina ireo mpanara-maso anareo, info
التفاسير:

external-link copy
11 : 82

كِرَامٗا كَٰتِبِينَ

dia ireo anjely mpanoratra be voninahitra. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 82

يَعۡلَمُونَ مَا تَفۡعَلُونَ

mahafantatra izay ataonareo. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 82

إِنَّ ٱلۡأَبۡرَارَ لَفِي نَعِيمٖ

tena marina, fa ireo izay feno fankatoavana an'I Allah dia ho ao anatin'ny fiadanana tanteraka, info
التفاسير:

external-link copy
14 : 82

وَإِنَّ ٱلۡفُجَّارَ لَفِي جَحِيمٖ

ary ireo mpaniratsira kosa dia ho ao anatin'ny Afo be, info
التفاسير:

external-link copy
15 : 82

يَصۡلَوۡنَهَا يَوۡمَ ٱلدِّينِ

hatsipy ao izy ireo amin'ny Andro farany, info
التفاسير:

external-link copy
16 : 82

وَمَا هُمۡ عَنۡهَا بِغَآئِبِينَ

ary tsy hiala ao mihitsy izy ireo mandrakizay, info
التفاسير:

external-link copy
17 : 82

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ

Moa fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany? info
التفاسير:

external-link copy
18 : 82

ثُمَّ مَآ أَدۡرَىٰكَ مَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ

Moa tsy fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany? info
التفاسير:

external-link copy
19 : 82

يَوۡمَ لَا تَمۡلِكُ نَفۡسٞ لِّنَفۡسٖ شَيۡـٔٗاۖ وَٱلۡأَمۡرُ يَوۡمَئِذٖ لِّلَّهِ

Andro, izay tsy hananan'ny fanahy fahefana amin'ny fanahy hafa na dia kely aza, satria ny fahefana rehetra amin'izany dia eo am-pelan-tanan'I Allah . info
التفاسير: