Bản dịch ý nghĩa nội dung Qur'an - 马达加斯加语翻译:先锋翻译中心

external-link copy
6 : 5

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوٓاْ إِذَا قُمۡتُمۡ إِلَى ٱلصَّلَوٰةِ فَٱغۡسِلُواْ وُجُوهَكُمۡ وَأَيۡدِيَكُمۡ إِلَى ٱلۡمَرَافِقِ وَٱمۡسَحُواْ بِرُءُوسِكُمۡ وَأَرۡجُلَكُمۡ إِلَى ٱلۡكَعۡبَيۡنِۚ وَإِن كُنتُمۡ جُنُبٗا فَٱطَّهَّرُواْۚ وَإِن كُنتُم مَّرۡضَىٰٓ أَوۡ عَلَىٰ سَفَرٍ أَوۡ جَآءَ أَحَدٞ مِّنكُم مِّنَ ٱلۡغَآئِطِ أَوۡ لَٰمَسۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ فَلَمۡ تَجِدُواْ مَآءٗ فَتَيَمَّمُواْ صَعِيدٗا طَيِّبٗا فَٱمۡسَحُواْ بِوُجُوهِكُمۡ وَأَيۡدِيكُم مِّنۡهُۚ مَا يُرِيدُ ٱللَّهُ لِيَجۡعَلَ عَلَيۡكُم مِّنۡ حَرَجٖ وَلَٰكِن يُرِيدُ لِيُطَهِّرَكُمۡ وَلِيُتِمَّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تَشۡكُرُونَ

O ianareo izay nino! Raha mitsangana hanatanteraka ny fivavahana ianareo, dia sasaonareo ny tarehinareo, sy ny tananareo hatreo amin’ny kiho, ary safoy amin’ny tananareo lena ny lohanareo, ary sasao ny tongotrareo hatreo amin’ny kitrokely. Raha manana fahalotoana ianareo dia manaova fidiovana lehibe ianareo, fa raha marary kosa ianareo na anatin’ny dia lava, na miverina avy amin’ny toeram-pivoahana iray, na nikasika vehivavy (nanao firaisana), ka tsy nahita rano dia midiova amin’ny fotaka madio, ka safoinareo ny tarehinareo sy ny tananareo amin’izany. Tsy mitady ny hanahirana anareo I Allah, fa mila hanadio anareo kosa Izy sy handrotsaka ny fahasoavany aminareo, angamba hahay hankasitraka ianareo. info
التفاسير: