Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима

external-link copy
258 : 2

أَلَمۡ تَرَ إِلَى ٱلَّذِي حَآجَّ إِبۡرَٰهِـۧمَ فِي رَبِّهِۦٓ أَنۡ ءَاتَىٰهُ ٱللَّهُ ٱلۡمُلۡكَ إِذۡ قَالَ إِبۡرَٰهِـۧمُ رَبِّيَ ٱلَّذِي يُحۡيِۦ وَيُمِيتُ قَالَ أَنَا۠ أُحۡيِۦ وَأُمِيتُۖ قَالَ إِبۡرَٰهِـۧمُ فَإِنَّ ٱللَّهَ يَأۡتِي بِٱلشَّمۡسِ مِنَ ٱلۡمَشۡرِقِ فَأۡتِ بِهَا مِنَ ٱلۡمَغۡرِبِ فَبُهِتَ ٱلَّذِي كَفَرَۗ وَٱللَّهُ لَا يَهۡدِي ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّٰلِمِينَ

Tsy hitanao va ilay olona nifanditra tamin’i Ibraham ny amin’ny Tompony, satria nomen’Allah fanjakana izy? Dia niteny i Ibraham hoe : “Ny Tompo Zanahariko no Ilay tompon’ny fahavelomana sy ny fahafatesana”. Dia hoy izy namaly : “Izaho ihany koa afaka mamelona sy mamono”. Dia hoy indray Ibraham : “Allah no mampiposaka ny masoandro avy any atsinanana, koa aposaho avy any andrefana kosa izany”. Ka dia vahotra ilay nisafidy ny tsy hino. Ary Allah tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير: