Tsy hitanao va ilay olona nifanditra tamin’i Ibraham ny amin’ny Tompony, satria nomen’Allah fanjakana izy? Dia niteny i Ibraham hoe : “Ny Tompo Zanahariko no Ilay tompon’ny fahavelomana sy ny fahafatesana”. Dia hoy izy namaly : “Izaho ihany koa afaka mamelona sy mamono”. Dia hoy indray Ibraham : “Allah no mampiposaka ny masoandro avy any atsinanana, koa aposaho avy any andrefana kosa izany”. Ka dia vahotra ilay nisafidy ny tsy hino. Ary Allah tsy mba mitari-dàlana ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny.