แปล​ความหมาย​อัลกุรอาน​ - คำแปลภาษามาลากาซี - โดยศูนย์การแปลรุว๊าด

Ãl-'imran

external-link copy
1 : 3

الٓمٓ

Alif, Làm, Mìm info
التفاسير:

external-link copy
2 : 3

ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡحَيُّ ٱلۡقَيُّومُ

Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ilay Velona mandrakizay sy ilay Mahavita tena tanteraka (al-kaiòm)[37]. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 3

نَزَّلَ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ بِٱلۡحَقِّ مُصَدِّقٗا لِّمَا بَيۡنَ يَدَيۡهِ وَأَنزَلَ ٱلتَّوۡرَىٰةَ وَٱلۡإِنجِيلَ

Nampidina Taminao ny Boky tamim-pahamarinana Izy, manamarina izay efa nisy teo alohany. Ary nampidina ny Taoraty sy ny Evanjely Izy, info
التفاسير:

external-link copy
4 : 3

مِن قَبۡلُ هُدٗى لِّلنَّاسِ وَأَنزَلَ ٱلۡفُرۡقَانَۗ إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ لَهُمۡ عَذَابٞ شَدِيدٞۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٞ ذُو ٱنتِقَامٍ

Tany aloha, tari-dàlana ho an’ny Olombelona. Ary nampidina ny fanavahana [38] Izy. Tena marina, fa ireo izay nitsipaka ny fanambaran’i Allah, dia ho azy ireo ny famaizana mafy. Ary Allah dia Tsitoha sy Tompon’ny famalian-keloka. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 3

إِنَّ ٱللَّهَ لَا يَخۡفَىٰ عَلَيۡهِ شَيۡءٞ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَا فِي ٱلسَّمَآءِ

Tena marina, fa tsy misy zavatra miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-danitra. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 3

هُوَ ٱلَّذِي يُصَوِّرُكُمۡ فِي ٱلۡأَرۡحَامِ كَيۡفَ يَشَآءُۚ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلۡحَكِيمُ

Izy no nanome Anareo endrika tao am-bohoka araka izay sitrany. Tsy misy Zanahary afa-tsy Izy, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 3

هُوَ ٱلَّذِيٓ أَنزَلَ عَلَيۡكَ ٱلۡكِتَٰبَ مِنۡهُ ءَايَٰتٞ مُّحۡكَمَٰتٌ هُنَّ أُمُّ ٱلۡكِتَٰبِ وَأُخَرُ مُتَشَٰبِهَٰتٞۖ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِمۡ زَيۡغٞ فَيَتَّبِعُونَ مَا تَشَٰبَهَ مِنۡهُ ٱبۡتِغَآءَ ٱلۡفِتۡنَةِ وَٱبۡتِغَآءَ تَأۡوِيلِهِۦۖ وَمَا يَعۡلَمُ تَأۡوِيلَهُۥٓ إِلَّا ٱللَّهُۗ وَٱلرَّٰسِخُونَ فِي ٱلۡعِلۡمِ يَقُولُونَ ءَامَنَّا بِهِۦ كُلّٞ مِّنۡ عِندِ رَبِّنَاۗ وَمَا يَذَّكَّرُ إِلَّآ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ

Izy no nampidina Taminao ilay Boky, misy andininy mazava tsara ao, izy ireo no fototr’ilay Boky, fa ny (andininy) sasany kosa dia mifono hevitra maro [39].Ireo izay manana fo mirona amin’ny fahaverezana dia manaraka ireo andininy mifono hevitra maro, ho fitadiavana ny fifanoheran-kevitra sy fitadiavana ny dikan-teny hafa momba izany, nefa tsy misy mahalala ny tena dikan’izany afa-tsy i Allah. Fa ireo miorim-paka lalina amin’ny fahalalana kosa dia miteny hoe : “ Mino an’izany izahay ! Avy amin’ny Tomponay avokoa izany rehetra izany ”. Nefa, tsy misy mahatsiaro izany, afa-tsy ireo matsilo saina. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 3

رَبَّنَا لَا تُزِغۡ قُلُوبَنَا بَعۡدَ إِذۡ هَدَيۡتَنَا وَهَبۡ لَنَا مِن لَّدُنكَ رَحۡمَةًۚ إِنَّكَ أَنتَ ٱلۡوَهَّابُ

Tomponay ô ! Aza havily any amin’ny fahaverezana ny fonay, aorian’ny nitarihanao làlana Anay, omeo indrafo avy Aminao Izahay. Tena marina fa, Ianao Ilay Mpanome tsy manam-petra. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 3

رَبَّنَآ إِنَّكَ جَامِعُ ٱلنَّاسِ لِيَوۡمٖ لَّا رَيۡبَ فِيهِۚ إِنَّ ٱللَّهَ لَا يُخۡلِفُ ٱلۡمِيعَادَ

Tomponay ô ! Tena marina fa, Ianao no hanangona ny Olona rehetra, amin’ny Andro iray tsy misy fisalasalana ny Aminy. Tena marina fa, i Allah dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany. info
التفاسير: