د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

د مخ نمبر:close

external-link copy
105 : 23

أَلَمۡ تَكُنۡ ءَايَٰتِي تُتۡلَىٰ عَلَيۡكُمۡ فَكُنتُم بِهَا تُكَذِّبُونَ

“Moa ve tsy novakiana taminareo ireo fanambarako, nefa nolazainareo fa lainga izy ireny”. info
التفاسير:

external-link copy
106 : 23

قَالُواْ رَبَّنَا غَلَبَتۡ عَلَيۡنَا شِقۡوَتُنَا وَكُنَّا قَوۡمٗا ضَآلِّينَ

Niteny izy ireo hoe : “Tomponay ô ! Resin’ny fahorianay izahay, ary olona very làlana izahay”. info
التفاسير:

external-link copy
107 : 23

رَبَّنَآ أَخۡرِجۡنَا مِنۡهَا فَإِنۡ عُدۡنَا فَإِنَّا ظَٰلِمُونَ

"Tomponay ô ! Avoahy amin’izao (afobe) izahay ! Ka raha mamerina indray izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”. info
التفاسير:

external-link copy
108 : 23

قَالَ ٱخۡسَـُٔواْ فِيهَا وَلَا تُكَلِّمُونِ

Niteny Izy ka namaly hoe : “Mijanona ao ianareo (afa-baraka), ary aza miteny Amiko intsony”. info
التفاسير:

external-link copy
109 : 23

إِنَّهُۥ كَانَ فَرِيقٞ مِّنۡ عِبَادِي يَقُولُونَ رَبَّنَآ ءَامَنَّا فَٱغۡفِرۡ لَنَا وَٱرۡحَمۡنَا وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلرَّٰحِمِينَ

Misy andiany tamin’ireo mpanompoko izay miteny hoe : “Tomponay ô ! Mino izahay, ka avelao ny helokay ary hamindrao fo izahay, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra fo.” info
التفاسير:

external-link copy
110 : 23

فَٱتَّخَذۡتُمُوهُمۡ سِخۡرِيًّا حَتَّىٰٓ أَنسَوۡكُمۡ ذِكۡرِي وَكُنتُم مِّنۡهُمۡ تَضۡحَكُونَ

Ka nanesoheso azy ireny ianareo, hany ka adinonareo tanteraka ny fahatsiarovana Ahy, ary nataonareo fihomezana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
111 : 23

إِنِّي جَزَيۡتُهُمُ ٱلۡيَوۡمَ بِمَا صَبَرُوٓاْ أَنَّهُمۡ هُمُ ٱلۡفَآئِزُونَ

Tena marina fa Izaho indrindra no hanome valisoa azy ireo anio, noho izy ireo naharitra, ary izy ireo tokoa no mpandresy. info
التفاسير:

external-link copy
112 : 23

قَٰلَ كَمۡ لَبِثۡتُمۡ فِي ٱلۡأَرۡضِ عَدَدَ سِنِينَ

Niteny Izy nanao hoe : “Firy taona no nipetrahanareo teny ambonin’ny tany ?” info
التفاسير:

external-link copy
113 : 23

قَالُواْ لَبِثۡنَا يَوۡمًا أَوۡ بَعۡضَ يَوۡمٖ فَسۡـَٔلِ ٱلۡعَآدِّينَ

Niteny izy ireo, ka namaly hoe : “Nipetraka andro iray izahay teny, na tapak’andro (ampahan’ny andro), koa anontanio àry ireo mpanisa”. info
التفاسير:

external-link copy
114 : 23

قَٰلَ إِن لَّبِثۡتُمۡ إِلَّا قَلِيلٗاۖ لَّوۡ أَنَّكُمۡ كُنتُمۡ تَعۡلَمُونَ

Niteny Izy hoe : “Tsy nipetraka raha tsy fotoana vitsy monja ianareo, raha mba fantatrareo tokoa izany”. info
التفاسير:

external-link copy
115 : 23

أَفَحَسِبۡتُمۡ أَنَّمَا خَلَقۡنَٰكُمۡ عَبَثٗا وَأَنَّكُمۡ إِلَيۡنَا لَا تُرۡجَعُونَ

Moa ve mihevitra ianareo, fa noharianay tsy amin’ny antony, ary tsy haverinay aty Aminay ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
116 : 23

فَتَعَٰلَى ٱللَّهُ ٱلۡمَلِكُ ٱلۡحَقُّۖ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَ رَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡكَرِيمِ

Fiderana avo indrindra ho an’I Allah, Ilay Mpanjaka tena marina. Tsy misy tompo afa-tsy Izy. Tompon’ny Seza fiandrianana be voninahitra. info
التفاسير:

external-link copy
117 : 23

وَمَن يَدۡعُ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ لَا بُرۡهَٰنَ لَهُۥ بِهِۦ فَإِنَّمَا حِسَابُهُۥ عِندَ رَبِّهِۦٓۚ إِنَّهُۥ لَا يُفۡلِحُ ٱلۡكَٰفِرُونَ

Ary na iza na iza miantso tompo hafa miaraka amin’I Allah, ka tsy manana porofo mazava ny amin’izany izy, dia eo anatrehan’ny Tompony. ny fitsarana azy. Tena marina fa tsy hahita fahombiazana ireo tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
118 : 23

وَقُل رَّبِّ ٱغۡفِرۡ وَٱرۡحَمۡ وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلرَّٰحِمِينَ

Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Mamelà sy mamindrà fo, fa Ianao no Mendrika indrindra amin’ireo mpamindra-fo." info
التفاسير: