د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

د مخ نمبر:close

external-link copy
43 : 23

مَا تَسۡبِقُ مِنۡ أُمَّةٍ أَجَلَهَا وَمَا يَسۡتَـٔۡخِرُونَ

Tsy misy vondron’olona na iray aza afaka hampandroso na hampihemotra ny fe-potoany. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 23

ثُمَّ أَرۡسَلۡنَا رُسُلَنَا تَتۡرَاۖ كُلَّ مَا جَآءَ أُمَّةٗ رَّسُولُهَا كَذَّبُوهُۖ فَأَتۡبَعۡنَا بَعۡضَهُم بَعۡضٗا وَجَعَلۡنَٰهُمۡ أَحَادِيثَۚ فَبُعۡدٗا لِّقَوۡمٖ لَّا يُؤۡمِنُونَ

Manarak'izany dia nandefa nifanesy ireo Irakay Izahay. Ka isaky ny tonga amin’ny vahoakany ny Iraka iray, dia lazain’izy ireo ho mpandainga. Ary nampifandimbiasanay ny fandringanana azy ireo, ka nataonay ho tantara izy ireo. Horingana avokoa anie ireo vahoaka tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 23

ثُمَّ أَرۡسَلۡنَا مُوسَىٰ وَأَخَاهُ هَٰرُونَ بِـَٔايَٰتِنَا وَسُلۡطَٰنٖ مُّبِينٍ

Avy eo dia nalefanay i Mosesy sy ny rahalahin'i Harona niaraka tamin’ireo fahagagana sy ny porofo miharihary, info
التفاسير:

external-link copy
46 : 23

إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ فَٱسۡتَكۡبَرُواْ وَكَانُواْ قَوۡمًا عَالِينَ

Ho any amin’i Faraona sy ny loholony, ka niavonavona izy ireo. Vahoaka feno fianjoanjonana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 23

فَقَالُوٓاْ أَنُؤۡمِنُ لِبَشَرَيۡنِ مِثۡلِنَا وَقَوۡمُهُمَا لَنَا عَٰبِدُونَ

Niteny izy ireo hoe : “Moa ve hino ireo lehilahy roa mitovy aminay izahay, nefa ny vahoakan'izy ireo dia andevonay ? info
التفاسير:

external-link copy
48 : 23

فَكَذَّبُوهُمَا فَكَانُواْ مِنَ ٱلۡمُهۡلَكِينَ

Ka nolazain’izy ireo ho mpandainga izy roa lahy, dia lasa anisan’ireo ringana tanteraka izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 23

وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ لَعَلَّهُمۡ يَهۡتَدُونَ

Ary tena nomenay an’i Mosesy ny Boky (Tora), angamba hiroso amin’ny làlana mahitsy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 23

وَجَعَلۡنَا ٱبۡنَ مَرۡيَمَ وَأُمَّهُۥٓ ءَايَةٗ وَءَاوَيۡنَٰهُمَآ إِلَىٰ رَبۡوَةٖ ذَاتِ قَرَارٖ وَمَعِينٖ

Ary nataonay ho fahagagana tena miavaka ny zanak’i Maria (Jesosy) sy ny reniny (Maria), ka nomenay fialofana izy roa teny ambony havoana feno fitoniana, sady misy loharano. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 23

يَٰٓأَيُّهَا ٱلرُّسُلُ كُلُواْ مِنَ ٱلطَّيِّبَٰتِ وَٱعۡمَلُواْ صَٰلِحًاۖ إِنِّي بِمَا تَعۡمَلُونَ عَلِيمٞ

Ô ianareo Iraka ! Mihinana ianareo amin’ireo zavatra tsy voarara sy madio. Ary manaova ny tsara, satria tena mahafantatra izay rehetra ataonareo Aho. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 23

وَإِنَّ هَٰذِهِۦٓ أُمَّتُكُمۡ أُمَّةٗ وَٰحِدَةٗ وَأَنَا۠ رَبُّكُمۡ فَٱتَّقُونِ

Ary tena marina, fa ity vahoakanareo ity, dia vahoaka tokana ihany, Izaho irery no Tomponareo. Ka matahora Ahy àry ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 23

فَتَقَطَّعُوٓاْ أَمۡرَهُم بَيۡنَهُمۡ زُبُرٗاۖ كُلُّ حِزۡبِۭ بِمَا لَدَيۡهِمۡ فَرِحُونَ

Nefa dia nizarazara ho antoko-pinoana maro izy ireo, ka isaky ny antoko-pinoana dia finaritra amin’izay eo am-pelatànany. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 23

فَذَرۡهُمۡ فِي غَمۡرَتِهِمۡ حَتَّىٰ حِينٍ

Avelao izy ireo, amin’ny fahaverezany mandritra ny fotoana vitsivitsy. info
التفاسير:

external-link copy
55 : 23

أَيَحۡسَبُونَ أَنَّمَا نُمِدُّهُم بِهِۦ مِن مَّالٖ وَبَنِينَ

Mihevitra ve izy ireo, fa izay omenay azy ireo amin’ny harena sy zanaka, info
التفاسير:

external-link copy
56 : 23

نُسَارِعُ لَهُمۡ فِي ٱلۡخَيۡرَٰتِۚ بَل لَّا يَشۡعُرُونَ

Dia ho fanafaingananay ho azy ireo amin’ny fanaovana ireo hatsarana ? Nefa tsy izany, fa izy ireo dia tsy mahatsiaro tena. info
التفاسير:

external-link copy
57 : 23

إِنَّ ٱلَّذِينَ هُم مِّنۡ خَشۡيَةِ رَبِّهِم مُّشۡفِقُونَ

Marina fa ireo izay feno fatahorana ny Tompony, dia fatra mpitandrina. info
التفاسير:

external-link copy
58 : 23

وَٱلَّذِينَ هُم بِـَٔايَٰتِ رَبِّهِمۡ يُؤۡمِنُونَ

Sy ireo izay mino ireo fanambaran’ny Tompon'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 23

وَٱلَّذِينَ هُم بِرَبِّهِمۡ لَا يُشۡرِكُونَ

Sy ireo izay tsy manakambana ny Tompony na amin’inona na amin’inona. info
التفاسير: