د قرآن کریم د معناګانو ژباړه - الترجمة المالاغاشية - مركز رواد الترجمة

د مخ نمبر:close

external-link copy
28 : 23

فَإِذَا ٱسۡتَوَيۡتَ أَنتَ وَمَن مَّعَكَ عَلَى ٱلۡفُلۡكِ فَقُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ ٱلَّذِي نَجَّىٰنَا مِنَ ٱلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ

Ka rehefa tafapetraka tsara ao anatin’ny sambofiara ianao sy ireo izay miaraka aminao dia mitenena hoe : “Dera ho an’i Allah izay nanavotra anay tamin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny”. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 23

وَقُل رَّبِّ أَنزِلۡنِي مُنزَلٗا مُّبَارَكٗا وَأَنتَ خَيۡرُ ٱلۡمُنزِلِينَ

Ary teneno hoe : “Tompo ô ! Ampidino amin’ny fidinana voatsodrano aho, fa Ianao Ilay Mpampidina mendrika indrindra”. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 23

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَٰتٖ وَإِن كُنَّا لَمُبۡتَلِينَ

Tena marina fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro tokoa. Marina fa Izahay no Mampisedra (azy ireo). info
التفاسير:

external-link copy
31 : 23

ثُمَّ أَنشَأۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِمۡ قَرۡنًا ءَاخَرِينَ

Ary, taorian’izy ireo dia nahary taranaka maro hafa Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 23

فَأَرۡسَلۡنَا فِيهِمۡ رَسُولٗا مِّنۡهُمۡ أَنِ ٱعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مَا لَكُم مِّنۡ إِلَٰهٍ غَيۡرُهُۥٓۚ أَفَلَا تَتَّقُونَ

Ka nandefa iraka teo amin’izy ireo Izahay, izay avy tamin’izy ireo ihany (mba hiteny hoe) : “ Tompoinareo I Allah. Tsy manana tompo hafa ankoatra Azy ianareo. Moa tsy matahotra Azy ve ianareo ? ” info
التفاسير:

external-link copy
33 : 23

وَقَالَ ٱلۡمَلَأُ مِن قَوۡمِهِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ وَكَذَّبُواْ بِلِقَآءِ ٱلۡأٓخِرَةِ وَأَتۡرَفۡنَٰهُمۡ فِي ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَا مَا هَٰذَآ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُكُمۡ يَأۡكُلُ مِمَّا تَأۡكُلُونَ مِنۡهُ وَيَشۡرَبُ مِمَّا تَشۡرَبُونَ

Ary niteny ireo loholona, izay tsy nino tamin’ny vahoakany no sady nilaza fa lainga ny fihaonana any an-koatra, nefa izy ireo dia nomenay fahafinaretana tamin’izao fiainana izao, hoe : “Tsy iza akory izany fa olombelona tahaka anareo ihany, mihinana izay haninareo, ary misotro izay sotroinareo”. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 23

وَلَئِنۡ أَطَعۡتُم بَشَرٗا مِّثۡلَكُمۡ إِنَّكُمۡ إِذٗا لَّخَٰسِرُونَ

Raha mankatò olombelona tahaka anareo ianareo dia ho maty antoka tanteraka. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 23

أَيَعِدُكُمۡ أَنَّكُمۡ إِذَا مِتُّمۡ وَكُنتُمۡ تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَنَّكُم مُّخۡرَجُونَ

Moa mampanantena anareo ve izy, fa raha maty ianareo ka ho lasa vovoka sy taolana dia havoaka tao indray (fasana) ? info
التفاسير:

external-link copy
36 : 23

۞ هَيۡهَاتَ هَيۡهَاتَ لِمَا تُوعَدُونَ

Lavitra dia lavitra tokoa amin’izay ampanantenaina anareo ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 23

إِنۡ هِيَ إِلَّا حَيَاتُنَا ٱلدُّنۡيَا نَمُوتُ وَنَحۡيَا وَمَا نَحۡنُ بِمَبۡعُوثِينَ

Izany dia tsy inona, afa-tsy izao fiainantsika eto an-tany izao ihany, ho faty ary ho velona isika, fa tsy hatsangana amin’ny maty na oviana na oviana. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 23

إِنۡ هُوَ إِلَّا رَجُلٌ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبٗا وَمَا نَحۡنُ لَهُۥ بِمُؤۡمِنِينَ

Tsy inona akory izy io afa-tsy lehilahy mamoron-dainga mahakasika an’I Allah ihany, ka tsy hino azy velively izahay. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 23

قَالَ رَبِّ ٱنصُرۡنِي بِمَا كَذَّبُونِ

Niteny izy hoe : “Tompo ô ! Vonjeo aho satria milaza ahy ho mpandainga izy ireo” info
التفاسير:

external-link copy
40 : 23

قَالَ عَمَّا قَلِيلٖ لَّيُصۡبِحُنَّ نَٰدِمِينَ

Ka niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy ho ela dia ho latsa-panenenana tokoa izy ireo”. info
التفاسير:

external-link copy
41 : 23

فَأَخَذَتۡهُمُ ٱلصَّيۡحَةُ بِٱلۡحَقِّ فَجَعَلۡنَٰهُمۡ غُثَآءٗۚ فَبُعۡدٗا لِّلۡقَوۡمِ ٱلظَّٰلِمِينَ

Noho izany dia niharan’ilay hiaka tamim-pahamarinana tokoa izy ireo. Ary rehefa avy eo dia nataonay tahaka ny fako noentin-driaka. Hanjavona tanteraka anie ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 23

ثُمَّ أَنشَأۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِمۡ قُرُونًا ءَاخَرِينَ

Ary taorian’izy ireo dia Nahary taranaka maro hafa Izahay. info
التفاسير: