Vertaling van de betekenissen Edele Qur'an - Malagasi-vertaling - Centrum van Pionier Vertalers

Al-hàqqah

external-link copy
1 : 69

ٱلۡحَآقَّةُ

Ilay tsy azo ialana (isehoan'ny marina). info
التفاسير:

external-link copy
2 : 69

مَا ٱلۡحَآقَّةُ

Ka inona no tsy azo ialana (isehoan'ny marina)? info
التفاسير:

external-link copy
3 : 69

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا ٱلۡحَآقَّةُ

Ary iza no hilaza aminao ny amin'ny hoe tsy azo ialana (isehoan'ny marina)? info
التفاسير:

external-link copy
4 : 69

كَذَّبَتۡ ثَمُودُ وَعَادُۢ بِٱلۡقَارِعَةِ

Nolazain'ireo Thamod sy ireo Aad ho lainga ireo loza. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 69

فَأَمَّا ثَمُودُ فَأُهۡلِكُواْ بِٱلطَّاغِيَةِ

Ary ny Thamod dia ravan'ny hiaka tena mafy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 69

وَأَمَّا عَادٞ فَأُهۡلِكُواْ بِرِيحٖ صَرۡصَرٍ عَاتِيَةٖ

Fa ireo Aad indray dia ravan'ny rivotra mifofofofo ankatezerana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 69

سَخَّرَهَا عَلَيۡهِمۡ سَبۡعَ لَيَالٖ وَثَمَٰنِيَةَ أَيَّامٍ حُسُومٗاۖ فَتَرَى ٱلۡقَوۡمَ فِيهَا صَرۡعَىٰ كَأَنَّهُمۡ أَعۡجَازُ نَخۡلٍ خَاوِيَةٖ

Ka nasafotofotony nandritran'ny fito alina, sy valo andro mifanarakaraka izy ireo ; dia hitanao mianjera amin'ny tany ireo olona, tahaka ny vodihazo "palma" poakaty. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 69

فَهَلۡ تَرَىٰ لَهُم مِّنۢ بَاقِيَةٖ

Mbola misy hitanao tavela va izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
9 : 69

وَجَآءَ فِرۡعَوۡنُ وَمَن قَبۡلَهُۥ وَٱلۡمُؤۡتَفِكَٰتُ بِٱلۡخَاطِئَةِ

Ary tonga i Faraona sy ny teo alohany ary ireo tanàna noravana dia samy nanao fahotana avokoa. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 69

فَعَصَوۡاْ رَسُولَ رَبِّهِمۡ فَأَخَذَهُمۡ أَخۡذَةٗ رَّابِيَةً

Tsy nankato ny Iraky ny Tompony izy ireo, ka nosaziany tamin'ny fomba tsy ahafahany manohitra. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 69

إِنَّا لَمَّا طَغَا ٱلۡمَآءُ حَمَلۡنَٰكُمۡ فِي ٱلۡجَارِيَةِ

Rehefa tondraka ny rano dia Izahay no nampiditra anareo tao anatin'ny sambofiara. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 69

لِنَجۡعَلَهَا لَكُمۡ تَذۡكِرَةٗ وَتَعِيَهَآ أُذُنٞ وَٰعِيَةٞ

Mba hataonay fampahatsiarovana ho anareo, ka ho voatahirin'ny sofina mahare tsara. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 69

فَإِذَا نُفِخَ فِي ٱلصُّورِ نَفۡخَةٞ وَٰحِدَةٞ

Ka rehefa ho tsofina amin'ny feo tokana ny anjomara. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 69

وَحُمِلَتِ ٱلۡأَرۡضُ وَٱلۡجِبَالُ فَدُكَّتَا دَكَّةٗ وَٰحِدَةٗ

Ary dia voahainga sy hazera indray mandeha ny tany sy ireo tendrombohitra. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 69

فَيَوۡمَئِذٖ وَقَعَتِ ٱلۡوَاقِعَةُ

Amin'izay andro izay dia hiseho ilay toe-javatra. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 69

وَٱنشَقَّتِ ٱلسَّمَآءُ فَهِيَ يَوۡمَئِذٖ وَاهِيَةٞ

Ary hitriatra ny lanitra, sady ho mora rava izy amin'io andro io. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 69

وَٱلۡمَلَكُ عَلَىٰٓ أَرۡجَآئِهَاۚ وَيَحۡمِلُ عَرۡشَ رَبِّكَ فَوۡقَهُمۡ يَوۡمَئِذٖ ثَمَٰنِيَةٞ

Ary eo andanin'izany ireo, anjely ny valo hilanja ny seza fiandrianan'ny Tomponao amin'io andro io. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 69

يَوۡمَئِذٖ تُعۡرَضُونَ لَا تَخۡفَىٰ مِنكُمۡ خَافِيَةٞ

Haseho ianareo amin'io andro io ; ary tsy hisy hiafina ny aminareo. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 69

فَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِيَمِينِهِۦ فَيَقُولُ هَآؤُمُ ٱقۡرَءُواْ كِتَٰبِيَهۡ

Fa ilay nomena ny bokiny amin'ny tanany ankavanana kosa, dia hiteny hoe : "Jereo ! Vakinareo ny bokiko." info
التفاسير:

external-link copy
20 : 69

إِنِّي ظَنَنتُ أَنِّي مُلَٰقٍ حِسَابِيَهۡ

Azoko antoka fa ho hitako ao ny tatitra momba ahy. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 69

فَهُوَ فِي عِيشَةٖ رَّاضِيَةٖ

Dia ho ao anatin'ny fiainam-pahasambarana feno fankasitrahana izy ! info
التفاسير:

external-link copy
22 : 69

فِي جَنَّةٍ عَالِيَةٖ

Hiditra ny Paradisa mendrika tokoa. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 69

قُطُوفُهَا دَانِيَةٞ

Izay misy voankazo azo takarina amin'ny tanana. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 69

كُلُواْ وَٱشۡرَبُواْ هَنِيٓـَٔۢا بِمَآ أَسۡلَفۡتُمۡ فِي ٱلۡأَيَّامِ ٱلۡخَالِيَةِ

Mihinàna sy misotroa amim-pahafinaretana ianareo, noho izay efa nataonareo taloha. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 69

وَأَمَّا مَنۡ أُوتِيَ كِتَٰبَهُۥ بِشِمَالِهِۦ فَيَقُولُ يَٰلَيۡتَنِي لَمۡ أُوتَ كِتَٰبِيَهۡ

Fa izay hanolorana ny bokiny amin'ny tanany an-kavia kosa, dia hiteny hoe : "Indrisy mantsy ! Naleoko tsy natolotra ahy ny bokiko". info
التفاسير:

external-link copy
26 : 69

وَلَمۡ أَدۡرِ مَا حِسَابِيَهۡ

Ka tsy nahafantarako ny tatitra momba ahy ! info
التفاسير:

external-link copy
27 : 69

يَٰلَيۡتَهَا كَانَتِ ٱلۡقَاضِيَةَ

Indrisy, naleoko ihany nifarana tanteraka tamin'ny fahafatesako voalohany. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 69

مَآ أَغۡنَىٰ عَنِّي مَالِيَهۡۜ

Fa tsy nisy nilaivako ny harenako. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 69

هَلَكَ عَنِّي سُلۡطَٰنِيَهۡ

"Rava ny fahefako ka nandao ahy !" info
التفاسير:

external-link copy
30 : 69

خُذُوهُ فَغُلُّوهُ

Raisinareo izy ! Ka asio gadra vy. info
التفاسير:

external-link copy
31 : 69

ثُمَّ ٱلۡجَحِيمَ صَلُّوهُ

Avy eo dia doroy any amin’ny afo mamaivay. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 69

ثُمَّ فِي سِلۡسِلَةٖ ذَرۡعُهَا سَبۡعُونَ ذِرَاعٗا فَٱسۡلُكُوهُ

Ary dia fatory amin’ny rojo mirefy fitopolo kiho. info
التفاسير:

external-link copy
33 : 69

إِنَّهُۥ كَانَ لَا يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ ٱلۡعَظِيمِ

Satria tsy nino an'I Allah ilay tena Lehibe izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 69

وَلَا يَحُضُّ عَلَىٰ طَعَامِ ٱلۡمِسۡكِينِ

Ary tsy namporisika hanome sakafo ho an’ny mahantra. info
التفاسير:

external-link copy
35 : 69

فَلَيۡسَ لَهُ ٱلۡيَوۡمَ هَٰهُنَا حَمِيمٞ

Tsy misy namana mihitsy izy eto anio. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 69

وَلَا طَعَامٌ إِلَّا مِنۡ غِسۡلِينٖ

Ary tsisy sakafo hafa afa-tsy nàna. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 69

لَّا يَأۡكُلُهُۥٓ إِلَّا ٱلۡخَٰطِـُٔونَ

Ireo meloka ihany no hihinana izany. info
التفاسير:

external-link copy
38 : 69

فَلَآ أُقۡسِمُ بِمَا تُبۡصِرُونَ

Tsia;mianiana amin’izay hitanareo Aho. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 69

وَمَا لَا تُبۡصِرُونَ

Sy amin’izay tsy hitanareo ihany koa. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 69

إِنَّهُۥ لَقَوۡلُ رَسُولٖ كَرِيمٖ

Fa tenin’i Iraka iray mendri-kaja izany (Kor’any). info
التفاسير:

external-link copy
41 : 69

وَمَا هُوَ بِقَوۡلِ شَاعِرٖۚ قَلِيلٗا مَّا تُؤۡمِنُونَ

Fa tsy tenin'ny mpanao tononkalo akory, saingy zara raha mino ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 69

وَلَا بِقَوۡلِ كَاهِنٖۚ قَلِيلٗا مَّا تَذَكَّرُونَ

Ary tsy tenin’ny mpisikidy; saingy zara raha mahatsiaro ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 69

تَنزِيلٞ مِّن رَّبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Fanambarana avy amin’ny Tompon’izao tontolo izao izany. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 69

وَلَوۡ تَقَوَّلَ عَلَيۡنَا بَعۡضَ ٱلۡأَقَاوِيلِ

Ka raha namorona teny hafa izy, nitenenany Anay. info
التفاسير:

external-link copy
45 : 69

لَأَخَذۡنَا مِنۡهُ بِٱلۡيَمِينِ

Dia noraisinay tamin’ny tanana an-kavanana izy. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 69

ثُمَّ لَقَطَعۡنَا مِنۡهُ ٱلۡوَتِينَ

Avy eo dia notapahanay ny lalan-drà lehibe taminy (mifandray amin’ny fo). info
التفاسير:

external-link copy
47 : 69

فَمَا مِنكُم مِّنۡ أَحَدٍ عَنۡهُ حَٰجِزِينَ

Ka tsy nisy afaka niaro azy ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 69

وَإِنَّهُۥ لَتَذۡكِرَةٞ لِّلۡمُتَّقِينَ

Hamafisina, fa fampahatsiarovana ho an’ireo vontom-pinoana izany. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 69

وَإِنَّا لَنَعۡلَمُ أَنَّ مِنكُم مُّكَذِّبِينَ

Ary fantatray fa misy miampanga izany ho lainga aminareo. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 69

وَإِنَّهُۥ لَحَسۡرَةٌ عَلَى ٱلۡكَٰفِرِينَ

Ary fahanenenana ho an’ireo tsy mpino tokoa izany. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 69

وَإِنَّهُۥ لَحَقُّ ٱلۡيَقِينِ

Ary izany no tena marina azo antoka. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 69

فَسَبِّحۡ بِٱسۡمِ رَبِّكَ ٱلۡعَظِيمِ

Omeo voninahitra àry ny anaran’ny Tomponao, ilay Lehibe indrindra ! info
التفاسير: