ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
152 : 6

وَلَا تَقۡرَبُواْ مَالَ ٱلۡيَتِيمِ إِلَّا بِٱلَّتِي هِيَ أَحۡسَنُ حَتَّىٰ يَبۡلُغَ أَشُدَّهُۥۚ وَأَوۡفُواْ ٱلۡكَيۡلَ وَٱلۡمِيزَانَ بِٱلۡقِسۡطِۖ لَا نُكَلِّفُ نَفۡسًا إِلَّا وُسۡعَهَاۖ وَإِذَا قُلۡتُمۡ فَٱعۡدِلُواْ وَلَوۡ كَانَ ذَا قُرۡبَىٰۖ وَبِعَهۡدِ ٱللَّهِ أَوۡفُواْۚ ذَٰلِكُمۡ وَصَّىٰكُم بِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَذَكَّرُونَ

Ary aza manakaiky ny haren’ny kamboty ianareo afa-tsy amin’ny fomba mendrika indrindra, mandra-pahaleovan-tenany. Ary ataovy amim-pahamarinana ny famarana sy ny fandanjana.Tsy mampizaka ny olona zavatra Izahay afa-tsy izay zakany ihany. Ary rehefa miteny ianareo dia mitenena ny rariny sy ny hitsiny na dia amin’ireo havana akaiky aza. Ary tanterahanareo ny fifanekena tamin’I Allah, izany no nanafarany anareo angamba hatsapa tena ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
153 : 6

وَأَنَّ هَٰذَا صِرَٰطِي مُسۡتَقِيمٗا فَٱتَّبِعُوهُۖ وَلَا تَتَّبِعُواْ ٱلسُّبُلَ فَتَفَرَّقَ بِكُمۡ عَن سَبِيلِهِۦۚ ذَٰلِكُمۡ وَصَّىٰكُم بِهِۦ لَعَلَّكُمۡ تَتَّقُونَ

“Ary indro ny lalako fa mahitsy tanteraka, ka arahanareo àry izany ary aza manaraka ireo lalana izay hampiala anareo amin’ny lalany”. Izany no anafarany anareo, angamba hatahotra ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
154 : 6

ثُمَّ ءَاتَيۡنَا مُوسَى ٱلۡكِتَٰبَ تَمَامًا عَلَى ٱلَّذِيٓ أَحۡسَنَ وَتَفۡصِيلٗا لِّكُلِّ شَيۡءٖ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٗ لَّعَلَّهُم بِلِقَآءِ رَبِّهِمۡ يُؤۡمِنُونَ

Avy eo dia nomenay an’i Mosesy ny Boky, ho fameno amin’ny fahasoavana izay nanao soa sy ho fanazavana amin’ny antsipiriany ny zava-drehetra ary ho tari-dalana sy famindram-po. Angamba hino ny fihaonana amin’ny Tompony izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
155 : 6

وَهَٰذَا كِتَٰبٌ أَنزَلۡنَٰهُ مُبَارَكٞ فَٱتَّبِعُوهُ وَٱتَّقُواْ لَعَلَّكُمۡ تُرۡحَمُونَ

Ary ity ny Boky feno fahasoavana izay nampidininay, ka arahanareo izany ary manàna fatahorana ianareo. Angamba hahazo famindram-po ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
156 : 6

أَن تَقُولُوٓاْ إِنَّمَآ أُنزِلَ ٱلۡكِتَٰبُ عَلَىٰ طَآئِفَتَيۡنِ مِن قَبۡلِنَا وَإِن كُنَّا عَن دِرَاسَتِهِمۡ لَغَٰفِلِينَ

Mba tsy hiteny ianareo hoe : “Tena marina fa ny Boky dia tsy nampidinina afa-tsy tamin’ny vondron’olona roa teo alohanay. Ary izahay dia tena variana ka tsy tafianatra azy ireny”. info
التفاسير:

external-link copy
157 : 6

أَوۡ تَقُولُواْ لَوۡ أَنَّآ أُنزِلَ عَلَيۡنَا ٱلۡكِتَٰبُ لَكُنَّآ أَهۡدَىٰ مِنۡهُمۡۚ فَقَدۡ جَآءَكُم بَيِّنَةٞ مِّن رَّبِّكُمۡ وَهُدٗى وَرَحۡمَةٞۚ فَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّن كَذَّبَ بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ وَصَدَفَ عَنۡهَاۗ سَنَجۡزِي ٱلَّذِينَ يَصۡدِفُونَ عَنۡ ءَايَٰتِنَا سُوٓءَ ٱلۡعَذَابِ بِمَا كَانُواْ يَصۡدِفُونَ

Na koa hiteny ianareo manao hoe : “Raha tena taminay no nampidinina ny Boky dia tena voatari-dalana mihoatra azy ireo izahay”. Ary efa tonga aminareo ny porofo avy amin’ny Tomponareo, sy ny tari-dalana ary ny famindram-po. Iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay miteny fa lainga ireo fanambaran’I Allah no sady mitodi-damosina ? Ho sazinay ireo izay nitodi-damosina amin’ireo fanambaranay, amin’ny famaizana tena ratsy, noho izy ireo nitodi-damosina. info
التفاسير: