ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
9 : 6

وَلَوۡ جَعَلۡنَٰهُ مَلَكٗا لَّجَعَلۡنَٰهُ رَجُلٗا وَلَلَبَسۡنَا عَلَيۡهِم مَّا يَلۡبِسُونَ

Ary raha nataonay Anjely izy dia tsy maintsy nataonay hanana endrika lehilahy, ka mbola nataonay tsy hazava amin’izy ireo ihany tahaka ny tsy mampazava izany amin’izy ireo ankehitriny. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 6

وَلَقَدِ ٱسۡتُهۡزِئَ بِرُسُلٖ مِّن قَبۡلِكَ فَحَاقَ بِٱلَّذِينَ سَخِرُواْ مِنۡهُم مَّا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ

Ary efa niharan'ny fanesoana tokoa ireo iraka talohanao ka dia niverina tamin'ireo naneso ny fanesoana nataony. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 6

قُلۡ سِيرُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ ثُمَّ ٱنظُرُواْ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُكَذِّبِينَ

Teneno hoe: "Mandehana Ianareo maneran-tany rehetra, avy eo jereo ahoana ny fiafaran’ireo mpilaza lainga". info
التفاسير:

external-link copy
12 : 6

قُل لِّمَن مَّا فِي ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِۖ قُل لِّلَّهِۚ كَتَبَ عَلَىٰ نَفۡسِهِ ٱلرَّحۡمَةَۚ لَيَجۡمَعَنَّكُمۡ إِلَىٰ يَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ لَا رَيۡبَ فِيهِۚ ٱلَّذِينَ خَسِرُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ فَهُمۡ لَا يُؤۡمِنُونَ

Teneno hoe : “An’iza ny an'ny an-danitra sy ny eto an-tany?” Teneno hoe : “An’i Allah". Izy dia nandidy ny famindram-po ho amin'ny tenany. Tsy maintsy hamory anareo Izy amin’ny andro fitsanganan , tsy misy fisalasalana ny amin’izany. Ireo izay nahafaty antoka ny tenany dia tsy hino velively izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 6

۞ وَلَهُۥ مَا سَكَنَ فِي ٱلَّيۡلِ وَٱلنَّهَارِۚ وَهُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ

Ary Azy izay mitoetra rehetra amin’ny alina sy ny andro ary Izy Ilay Maheno, Ilay Mahalala ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 6

قُلۡ أَغَيۡرَ ٱللَّهِ أَتَّخِذُ وَلِيّٗا فَاطِرِ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَهُوَ يُطۡعِمُ وَلَا يُطۡعَمُۗ قُلۡ إِنِّيٓ أُمِرۡتُ أَنۡ أَكُونَ أَوَّلَ مَنۡ أَسۡلَمَۖ وَلَا تَكُونَنَّ مِنَ ٱلۡمُشۡرِكِينَ

Teneno hoe : “Ankoatr’I Allah ve no ataoko Mpiahy, Ilay Mpahary ireo lanitra sy ny tany, ary Izy no mampihinana fa tsy ampihinanina ?” Teneno hoe : “Tena marina fa nodidiana aho mba ho voalohany manetry tena”. Ary aoka ianao mba tsy ho anisan’ireo mpampitambatra an'I Allah amin’ny zavatra hafa. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 6

قُلۡ إِنِّيٓ أَخَافُ إِنۡ عَصَيۡتُ رَبِّي عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٖ

Teneno hoe : “Tena matahotra aho, raha tsy mankatò ny Tompoko aho, ny sazy amin’ny andro lehibe". info
التفاسير:

external-link copy
16 : 6

مَّن يُصۡرَفۡ عَنۡهُ يَوۡمَئِذٖ فَقَدۡ رَحِمَهُۥۚ وَذَٰلِكَ ٱلۡفَوۡزُ ٱلۡمُبِينُ

Fa ny olona avotra amin'izany andro izany,dia efa nahazo ny famindram-pony.Ary izany no tena fahombiazana lehibe . info
التفاسير:

external-link copy
17 : 6

وَإِن يَمۡسَسۡكَ ٱللَّهُ بِضُرّٖ فَلَا كَاشِفَ لَهُۥٓ إِلَّا هُوَۖ وَإِن يَمۡسَسۡكَ بِخَيۡرٖ فَهُوَ عَلَىٰ كُلِّ شَيۡءٖ قَدِيرٞ

Raha raha mandefa fahoriana aminao Allah, dia tsy misy afaka manala izany afa-tsy Izy ihany, ary raha mandefa fahasoavana aminao Izy dia Izy no tena Mahefa ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 6

وَهُوَ ٱلۡقَاهِرُ فَوۡقَ عِبَادِهِۦۚ وَهُوَ ٱلۡحَكِيمُ ٱلۡخَبِيرُ

Izy no Hery Mpifefy faratampony ireo mpanompony. Ary Izy Ilay be Fahendrena sy tena Mahalala ny zava-drehetra. info
التفاسير: