ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
138 : 6

وَقَالُواْ هَٰذِهِۦٓ أَنۡعَٰمٞ وَحَرۡثٌ حِجۡرٞ لَّا يَطۡعَمُهَآ إِلَّا مَن نَّشَآءُ بِزَعۡمِهِمۡ وَأَنۡعَٰمٌ حُرِّمَتۡ ظُهُورُهَا وَأَنۡعَٰمٞ لَّا يَذۡكُرُونَ ٱسۡمَ ٱللَّهِ عَلَيۡهَا ٱفۡتِرَآءً عَلَيۡهِۚ سَيَجۡزِيهِم بِمَا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ

Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Ireto dia andiam-biby sy vokatra voarara, tsy misy mahazo mihinana amin’izany raha tsy sitrakay”, araka ny hambon’izy ireo, ary andiam-biby izay voarara ny fitaingenana azy, ary koa andiam-biby tsy hanononan’izy ireo ny anaran’I Allah eo aminy, mba ho famoronan-dainga Aminy. Hamaly azy ireo Izy nohon'ny lainga izay noforonin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
139 : 6

وَقَالُواْ مَا فِي بُطُونِ هَٰذِهِ ٱلۡأَنۡعَٰمِ خَالِصَةٞ لِّذُكُورِنَا وَمُحَرَّمٌ عَلَىٰٓ أَزۡوَٰجِنَاۖ وَإِن يَكُن مَّيۡتَةٗ فَهُمۡ فِيهِ شُرَكَآءُۚ سَيَجۡزِيهِمۡ وَصۡفَهُمۡۚ إِنَّهُۥ حَكِيمٌ عَلِيمٞ

Ary niteny izy ireo nanao hoe : “Izay ao anaty kibon’ireto andiam-biby ireto dia voatokana ho an’ny lehilahy aminay, fa voarara kosa amin’ireo vadinay”. Raha maty kosa izany dia hikambanan’izy rehetra. Tsy ho ela dia hamaly azy ireo Izy nohon'ny filazana nataon’izy ireo izany. Tena marina fa Izy dia be Fahendrena sy Mahalala ny zava-drehetra. info
التفاسير:

external-link copy
140 : 6

قَدۡ خَسِرَ ٱلَّذِينَ قَتَلُوٓاْ أَوۡلَٰدَهُمۡ سَفَهَۢا بِغَيۡرِ عِلۡمٖ وَحَرَّمُواْ مَا رَزَقَهُمُ ٱللَّهُ ٱفۡتِرَآءً عَلَى ٱللَّهِۚ قَدۡ ضَلُّواْ وَمَا كَانُواْ مُهۡتَدِينَ

Tena maty antoka ireo izay namono an-kadalàna sy tsy amim-pahalalana ny zanak’izy ireo, sy nifady izay anjara fivelomana nomen’I Allah azy ireo, mba ho famoronan-dainga amin’I Allah. Tena very tokoa izy ireo ary tsy hahita ny tari-dalana velively. info
التفاسير:

external-link copy
141 : 6

۞ وَهُوَ ٱلَّذِيٓ أَنشَأَ جَنَّٰتٖ مَّعۡرُوشَٰتٖ وَغَيۡرَ مَعۡرُوشَٰتٖ وَٱلنَّخۡلَ وَٱلزَّرۡعَ مُخۡتَلِفًا أُكُلُهُۥ وَٱلزَّيۡتُونَ وَٱلرُّمَّانَ مُتَشَٰبِهٗا وَغَيۡرَ مُتَشَٰبِهٖۚ كُلُواْ مِن ثَمَرِهِۦٓ إِذَآ أَثۡمَرَ وَءَاتُواْ حَقَّهُۥ يَوۡمَ حَصَادِهِۦۖ وَلَا تُسۡرِفُوٓاْۚ إِنَّهُۥ لَا يُحِبُّ ٱلۡمُسۡرِفِينَ

Ary Izy no Nahary ny zaridaina maro misy hazo mandady sy tsy mandady, sy ireo hazon’atrendry sy ny fambolena manam-bokatra samihafa, ary koa ny oliva sy ny ampongaben-danitra, misy mitovitovy sy misy fahasamihafany, mihinàna amin’ireo voankazony ianareo rehefa mamokatra izy, ary mamoaha ny zony ianareo amin’ny andro fihotazana azy, ary aza manao fandaniam-poana ianareo, tena marina fa Allah dia tsy tia ireo mpanao fandaniam-poana. info
التفاسير:

external-link copy
142 : 6

وَمِنَ ٱلۡأَنۡعَٰمِ حَمُولَةٗ وَفَرۡشٗاۚ كُلُواْ مِمَّا رَزَقَكُمُ ٱللَّهُ وَلَا تَتَّبِعُواْ خُطُوَٰتِ ٱلشَّيۡطَٰنِۚ إِنَّهُۥ لَكُمۡ عَدُوّٞ مُّبِينٞ

Ary misy amin’ireo biby koa no atao fitaovam-pitaterana, ary ao koa ny sasany amin’izy ireo hampiasaina amin’ny filàna maro samihafa . Mihinàna ianareo amin’izay anjara fivelomana nomen’I Allah anareo, ary aza manaraka ireo famindran’i Satana ianareo, satria izy dia tena fahavalo miharihary ho anareo. info
التفاسير: