ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
58 : 21

فَجَعَلَهُمۡ جُذَٰذًا إِلَّا كَبِيرٗا لَّهُمۡ لَعَلَّهُمۡ إِلَيۡهِ يَرۡجِعُونَ

Ka nopotipotehiny tokoa izy ireo (ireo sary vongana) afa-tsy ilay lehibe. Angamba hiverina aminy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
59 : 21

قَالُواْ مَن فَعَلَ هَٰذَا بِـَٔالِهَتِنَآ إِنَّهُۥ لَمِنَ ٱلظَّٰلِمِينَ

Niteny izy ireo hoe : “izay no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay dia tena anisan’ireo mpanao ny tsy rariny izy”. info
التفاسير:

external-link copy
60 : 21

قَالُواْ سَمِعۡنَا فَتٗى يَذۡكُرُهُمۡ يُقَالُ لَهُۥٓ إِبۡرَٰهِيمُ

Niteny izy ireo hoe : “Naheno tovolahy iray izahay antsoina hoe Abrahama manaratsy azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
61 : 21

قَالُواْ فَأۡتُواْ بِهِۦ عَلَىٰٓ أَعۡيُنِ ٱلنَّاسِ لَعَلَّهُمۡ يَشۡهَدُونَ

Niteny izy ireo hoe : “Ento mankatý” ho eo imason’ny olona rehetra izy ; angamba hijoro vavolombelona izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
62 : 21

قَالُوٓاْ ءَأَنتَ فَعَلۡتَ هَٰذَا بِـَٔالِهَتِنَا يَٰٓإِبۡرَٰهِيمُ

Niteny taminy izy ireo hoe : “Ianao tokoa va ry Abrahama no nahavita izao tamin’ireo zanaharinay ireo ?” info
التفاسير:

external-link copy
63 : 21

قَالَ بَلۡ فَعَلَهُۥ كَبِيرُهُمۡ هَٰذَا فَسۡـَٔلُوهُمۡ إِن كَانُواْ يَنطِقُونَ

Niteny izy hoe : “Tsia, ity lehibe indrindra amin’izy ireo ity, izy no nahavita izany koa anontanianareo àry raha afaka miteny izy ireo !” info
التفاسير:

external-link copy
64 : 21

فَرَجَعُوٓاْ إِلَىٰٓ أَنفُسِهِمۡ فَقَالُوٓاْ إِنَّكُمۡ أَنتُمُ ٱلظَّٰلِمُونَ

Ka nandinin-tena izy ireo ary niteny an’eritreritra hoe : “Ianareo no tena mpanao ny tsy rariny !” info
التفاسير:

external-link copy
65 : 21

ثُمَّ نُكِسُواْ عَلَىٰ رُءُوسِهِمۡ لَقَدۡ عَلِمۡتَ مَا هَٰٓؤُلَآءِ يَنطِقُونَ

Avy eo dia niondri-doha izy ireo sy (niteny tamin’i Abrahama hoe) : “Fantatrao tsara fa izy ireo dia tsy miteny”. info
التفاسير:

external-link copy
66 : 21

قَالَ أَفَتَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ مَا لَا يَنفَعُكُمۡ شَيۡـٔٗا وَلَا يَضُرُّكُمۡ

Niteny izy : “Manompo zavatra hafa ankoatr'I Allah va ianareo, izay tsy afaka hanao soa anareo mihitsy ary tsy afaka hanao ratsy aminareo koa izy ireo ?” info
التفاسير:

external-link copy
67 : 21

أُفّٖ لَّكُمۡ وَلِمَا تَعۡبُدُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِۚ أَفَلَا تَعۡقِلُونَ

“Eisy e ! Ity ianareo sy izay tompoinareo ankoatr'I Allah ! Tsy mba mandinika va ianareo ?” info
التفاسير:

external-link copy
68 : 21

قَالُواْ حَرِّقُوهُ وَٱنصُرُوٓاْ ءَالِهَتَكُمۡ إِن كُنتُمۡ فَٰعِلِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Doroinareo izy ! Ary ampandresenareo ny zanaharinareo, raha tena hihetsika ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
69 : 21

قُلۡنَا يَٰنَارُ كُونِي بَرۡدٗا وَسَلَٰمًا عَلَىٰٓ إِبۡرَٰهِيمَ

Niteny Izahay hoe : “Ry afo, Meteza ianao ho mangatsiatsiaka sy fandriampahalemana amin’i Abrahama”! info
التفاسير:

external-link copy
70 : 21

وَأَرَادُواْ بِهِۦ كَيۡدٗا فَجَعَلۡنَٰهُمُ ٱلۡأَخۡسَرِينَ

Dia naniry ny hanao teti-dratsy taminy izy ireo, nefa izy ireo no tena nataonay maty antoka indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
71 : 21

وَنَجَّيۡنَٰهُ وَلُوطًا إِلَى ٱلۡأَرۡضِ ٱلَّتِي بَٰرَكۡنَا فِيهَا لِلۡعَٰلَمِينَ

Ary navotanay izy, sy i Lota ihany koa, nankany amin’ny tany izay nosoavinay ao anatiny ho an’izao tontolo izao. info
التفاسير:

external-link copy
72 : 21

وَوَهَبۡنَا لَهُۥٓ إِسۡحَٰقَ وَيَعۡقُوبَ نَافِلَةٗۖ وَكُلّٗا جَعَلۡنَا صَٰلِحِينَ

Ary nomenay azy i Isaaka, ary i Jakoba ho fanampiny, ka nataonay olona mendrika avokoa izy ireo. info
التفاسير: