ការបកប្រែអត្ថន័យគួរអាន - ការបកប្រែជាភាសាម៉ាឡាហ្គាស៊ី - មជ្ឈមណ្ឌលបកប្រែរ៉ូវ៉ាទ

លេខ​ទំព័រ:close

external-link copy
45 : 21

قُلۡ إِنَّمَآ أُنذِرُكُم بِٱلۡوَحۡيِۚ وَلَا يَسۡمَعُ ٱلصُّمُّ ٱلدُّعَآءَ إِذَا مَا يُنذَرُونَ

Teneno hoe : “Izaho dia tsy manao afa-tsy mampitandrina anareo amin’ny alalan’ny fanambarana”; ary ny marenina dia tsy maheno ny antso rehefa ampitandremana. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 21

وَلَئِن مَّسَّتۡهُمۡ نَفۡحَةٞ مِّنۡ عَذَابِ رَبِّكَ لَيَقُولُنَّ يَٰوَيۡلَنَآ إِنَّا كُنَّا ظَٰلِمِينَ

Raha mikasika azy ireo ny kely amin’ny famaizan’ny Tomponao, dia hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Marina fa izahay dia mpanao ny tsy rariny tokoa”. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 21

وَنَضَعُ ٱلۡمَوَٰزِينَ ٱلۡقِسۡطَ لِيَوۡمِ ٱلۡقِيَٰمَةِ فَلَا تُظۡلَمُ نَفۡسٞ شَيۡـٔٗاۖ وَإِن كَانَ مِثۡقَالَ حَبَّةٖ مِّنۡ خَرۡدَلٍ أَتَيۡنَا بِهَاۗ وَكَفَىٰ بِنَا حَٰسِبِينَ

Ary hapetrakay ho amin’ny Andro fitsanganana ireo mizàna tena marina, ka tsy hisy olona ho tratran’ny fiangarana na dia kely aza, na dia tahaka ny lanjan’ny voatsinapy aza dia ho asehonay. Ampy ho mpitsara tokoa Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 21

وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَا مُوسَىٰ وَهَٰرُونَ ٱلۡفُرۡقَانَ وَضِيَآءٗ وَذِكۡرٗا لِّلۡمُتَّقِينَ

Ary efa nomenay an’i Mosesy sy Harona tokoa ny boky fanavahana (ny tsara sy ny ratsy) sy ho fahazavana ary ho fampahatsiahivana ho an’ireo izay manam-patahorana. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 21

ٱلَّذِينَ يَخۡشَوۡنَ رَبَّهُم بِٱلۡغَيۡبِ وَهُم مِّنَ ٱلسَّاعَةِ مُشۡفِقُونَ

Ary ho an’izay matahotra ny Tompon’izy ireo na dia tsy hitan'ny maso aza, sy matahotra ny Ora (Andro farany). info
التفاسير:

external-link copy
50 : 21

وَهَٰذَا ذِكۡرٞ مُّبَارَكٌ أَنزَلۡنَٰهُۚ أَفَأَنتُمۡ لَهُۥ مُنكِرُونَ

Ary ity (koro’any) ity dia fampahatsiahivana feno fahasoavana nampidininay, ka moa ve handà izany ianareo ? info
التفاسير:

external-link copy
51 : 21

۞ وَلَقَدۡ ءَاتَيۡنَآ إِبۡرَٰهِيمَ رُشۡدَهُۥ مِن قَبۡلُ وَكُنَّا بِهِۦ عَٰلِمِينَ

Ary efa nomenay toro-lalana mahitsy i Abrahama teo aloha ary tena mahalala tsara izany Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 21

إِذۡ قَالَ لِأَبِيهِ وَقَوۡمِهِۦ مَا هَٰذِهِ ٱلتَّمَاثِيلُ ٱلَّتِيٓ أَنتُمۡ لَهَا عَٰكِفُونَ

Raha niteny izy tamin-drainy sy ny vahoakany hoe : “Inona ireto sary vongana izay tena ifikiranareo ireto ?” info
التفاسير:

external-link copy
53 : 21

قَالُواْ وَجَدۡنَآ ءَابَآءَنَا لَهَا عَٰبِدِينَ

Namaly izy ireo hoe : efa hitanay nanompo azy ireo ny razambenay. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 21

قَالَ لَقَدۡ كُنتُمۡ أَنتُمۡ وَءَابَآؤُكُمۡ فِي ضَلَٰلٖ مُّبِينٖ

Niteny izy hoe : “Marina tokoa, fa ianareo sy ireo razambenareo dia efa tena ao anatin’ny fahaverezana miharihary”. info
التفاسير:

external-link copy
55 : 21

قَالُوٓاْ أَجِئۡتَنَا بِٱلۡحَقِّ أَمۡ أَنتَ مِنَ ٱللَّٰعِبِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Moa tonga eto aminay miaraka amin’ny fahamarinana va ianao ? Sa anisan’ ireo mpananihany ianao ? info
التفاسير:

external-link copy
56 : 21

قَالَ بَل رَّبُّكُمۡ رَبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ ٱلَّذِي فَطَرَهُنَّ وَأَنَا۠ عَلَىٰ ذَٰلِكُم مِّنَ ٱلشَّٰهِدِينَ

Niteny izy : “tsia ! Fa ny Tomponareo, ilay tompon’ireo lanitra sy ny tany izay nahary azy ireo, ary izaho amin’izany dia anisan’ireo vavolombelona”. info
التفاسير:

external-link copy
57 : 21

وَتَٱللَّهِ لَأَكِيدَنَّ أَصۡنَٰمَكُم بَعۡدَ أَن تُوَلُّواْ مُدۡبِرِينَ

Mianiana amin’I Allah aho fa tsy maintsy hanaovako tetika ireo sampinareo ireo aorian’ny fotoana ivoahanareo eto. info
التفاسير: