Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad

Qaf

external-link copy
1 : 50

قٓۚ وَٱلۡقُرۡءَانِ ٱلۡمَجِيدِ

Qâf. Mianiana amin’ny Koroany ilay be voninahitra Aho. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 50

بَلۡ عَجِبُوٓاْ أَن جَآءَهُم مُّنذِرٞ مِّنۡهُمۡ فَقَالَ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا شَيۡءٌ عَجِيبٌ

Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 50

أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗاۖ ذَٰلِكَ رَجۡعُۢ بَعِيدٞ

Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 50

قَدۡ عَلِمۡنَا مَا تَنقُصُ ٱلۡأَرۡضُ مِنۡهُمۡۖ وَعِندَنَا كِتَٰبٌ حَفِيظُۢ

Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 50

بَلۡ كَذَّبُواْ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُمۡ فَهُمۡ فِيٓ أَمۡرٖ مَّرِيجٍ

Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 50

أَفَلَمۡ يَنظُرُوٓاْ إِلَى ٱلسَّمَآءِ فَوۡقَهُمۡ كَيۡفَ بَنَيۡنَٰهَا وَزَيَّنَّٰهَا وَمَا لَهَا مِن فُرُوجٖ

Tsy mba nojeren’izy ireo va ny lanitra eo amboniny, ahoana ny fomba nanorenanay sy nampihaingonay azy ary ahoana izy no tsy misy mitriatra ? info
التفاسير:

external-link copy
7 : 50

وَٱلۡأَرۡضَ مَدَدۡنَٰهَا وَأَلۡقَيۡنَا فِيهَا رَوَٰسِيَ وَأَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجِۭ بَهِيجٖ

Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa, info
التفاسير:

external-link copy
8 : 50

تَبۡصِرَةٗ وَذِكۡرَىٰ لِكُلِّ عَبۡدٖ مُّنِيبٖ

Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 50

وَنَزَّلۡنَا مِنَ ٱلسَّمَآءِ مَآءٗ مُّبَٰرَكٗا فَأَنۢبَتۡنَا بِهِۦ جَنَّٰتٖ وَحَبَّ ٱلۡحَصِيدِ

Ary nampidina rano feno fahasoavana avy eny amin’ny lanitra Izahay, ka nampanirianay zaridaina sy voa ho jinjana, info
التفاسير:

external-link copy
10 : 50

وَٱلنَّخۡلَ بَاسِقَٰتٖ لَّهَا طَلۡعٞ نَّضِيدٞ

Ary ireo hazo palma avo misy voany mifanongoa. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 50

رِّزۡقٗا لِّلۡعِبَادِۖ وَأَحۡيَيۡنَا بِهِۦ بَلۡدَةٗ مَّيۡتٗاۚ كَذَٰلِكَ ٱلۡخُرُوجُ

Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 50

كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ وَأَصۡحَٰبُ ٱلرَّسِّ وَثَمُودُ

Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod, info
التفاسير:

external-link copy
13 : 50

وَعَادٞ وَفِرۡعَوۡنُ وَإِخۡوَٰنُ لُوطٖ

Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota, info
التفاسير:

external-link copy
14 : 50

وَأَصۡحَٰبُ ٱلۡأَيۡكَةِ وَقَوۡمُ تُبَّعٖۚ كُلّٞ كَذَّبَ ٱلرُّسُلَ فَحَقَّ وَعِيدِ

Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 50

أَفَعَيِينَا بِٱلۡخَلۡقِ ٱلۡأَوَّلِۚ بَلۡ هُمۡ فِي لَبۡسٖ مِّنۡ خَلۡقٖ جَدِيدٖ

Moa reraky ny fahariana voalohany va izahay ? Kanefa feno fisalasalana izy ireo mikasika ny fahariana vaovao. info
التفاسير: