Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad

Al-qaswas

external-link copy
1 : 28

طسٓمٓ

Twa, Sin, Mim. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 28

تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُبِينِ

Indro ireo andinin’ilay Boky mazava. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 28

نَتۡلُواْ عَلَيۡكَ مِن نَّبَإِ مُوسَىٰ وَفِرۡعَوۡنَ بِٱلۡحَقِّ لِقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ

Hovakinay aminao amim-pahamarinana, ny ampahan’ny tantaran’i Mosesy sy i Faraona, ho an’ireo vahoaka izay mino. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 28

إِنَّ فِرۡعَوۡنَ عَلَا فِي ٱلۡأَرۡضِ وَجَعَلَ أَهۡلَهَا شِيَعٗا يَسۡتَضۡعِفُ طَآئِفَةٗ مِّنۡهُمۡ يُذَبِّحُ أَبۡنَآءَهُمۡ وَيَسۡتَحۡيِۦ نِسَآءَهُمۡۚ إِنَّهُۥ كَانَ مِنَ ٱلۡمُفۡسِدِينَ

Tena marina fa i Faraona dia nanambony tena teto an-tany ; ary nozarazarainy ny mponina tao Aminy, mba hahafahany manararaotra ny fahalemen’ny ampahany iray amin’izy ireo ; tapahany ny vozon’ny zanaka lahin’izy ireo, ary avelany ho velona kosa ireo vehivavin’izy ireo. Marina fa izy dia anisan’ireo mpanao asa fanimbana. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 28

وَنُرِيدُ أَن نَّمُنَّ عَلَى ٱلَّذِينَ ٱسۡتُضۡعِفُواْ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَنَجۡعَلَهُمۡ أَئِمَّةٗ وَنَجۡعَلَهُمُ ٱلۡوَٰرِثِينَ

Nefa Izahay dia mila hanome tombony ho an’ireo izay nalemena teto an-tany, ka ataonay ho mpitarika izy ireo, sy ataonay ho mpandova. info
التفاسير: