Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad

As-sho'araa

external-link copy
1 : 26

طسٓمٓ

Twa, Sin, Mim. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 26

تِلۡكَ ءَايَٰتُ ٱلۡكِتَٰبِ ٱلۡمُبِينِ

Indro ireo andinin’ilay Boky mazava. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 26

لَعَلَّكَ بَٰخِعٞ نَّفۡسَكَ أَلَّا يَكُونُواْ مُؤۡمِنِينَ

Mety ho reraky ny alahelo ianao,fa tsy mino izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 26

إِن نَّشَأۡ نُنَزِّلۡ عَلَيۡهِم مِّنَ ٱلسَّمَآءِ ءَايَةٗ فَظَلَّتۡ أَعۡنَٰقُهُمۡ لَهَا خَٰضِعِينَ

Raha sitrakay dia ho nampidininay tamin’izy ireo avy eny an-danitra ny famantarana iray, ka ho tavela hiondrika amin’izany ny hatok’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 26

وَمَا يَأۡتِيهِم مِّن ذِكۡرٖ مِّنَ ٱلرَّحۡمَٰنِ مُحۡدَثٍ إِلَّا كَانُواْ عَنۡهُ مُعۡرِضِينَ

Ary tsy misy fampahatsiahivana vaovao avy amin’Ilay be Fiantrana tonga amin’izy ireo, ka tsy mitodi-damosina amin’izany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 26

فَقَدۡ كَذَّبُواْ فَسَيَأۡتِيهِمۡ أَنۢبَٰٓؤُاْ مَا كَانُواْ بِهِۦ يَسۡتَهۡزِءُونَ

Efa nilaza izy ireo fa lainga (izay rehetra avy amin’ny Tompony), ka ho tonga amin’izy ireo tsy ho ela ireo vaovao mahakasika izay nataon’izy ireo vazivazy. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 26

أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ إِلَى ٱلۡأَرۡضِ كَمۡ أَنۢبَتۡنَا فِيهَا مِن كُلِّ زَوۡجٖ كَرِيمٍ

Moa ve tsy hitan’izy ireo ny tany, firifiry no nampitsirinay teo aminy, amin’ireo karazana zavatra tsiroaroa mahasoa rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 26

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ

Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mino. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 26

وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ

Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 26

وَإِذۡ نَادَىٰ رَبُّكَ مُوسَىٰٓ أَنِ ٱئۡتِ ٱلۡقَوۡمَ ٱلظَّٰلِمِينَ

Ary rehefa niantso an’i Mosesy ny Tomponao hoe : “Aoka ianao ho tonga any amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 26

قَوۡمَ فِرۡعَوۡنَۚ أَلَا يَتَّقُونَ

(Any) amin’ny vahoakan’i Faraona ; moa tsy mba hanam-patahorana (Azy) ve izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
12 : 26

قَالَ رَبِّ إِنِّيٓ أَخَافُ أَن يُكَذِّبُونِ

Niteny izy hoe : “Tompoko ô ! Tena matahotra aho sao ataon’izy ireo ho mpandainga". info
التفاسير:

external-link copy
13 : 26

وَيَضِيقُ صَدۡرِي وَلَا يَنطَلِقُ لِسَانِي فَأَرۡسِلۡ إِلَىٰ هَٰرُونَ

Sy mihatery ny tratrako, ary hiraikitra ny lelako, ka mba alefaso i Harona. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 26

وَلَهُمۡ عَلَيَّ ذَنۢبٞ فَأَخَافُ أَن يَقۡتُلُونِ

Ary misy heloka bevava hanenjehan’izy ireo ahy, ka matahotra aho sao dia ho vonoin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 26

قَالَ كَلَّاۖ فَٱذۡهَبَا بِـَٔايَٰتِنَآۖ إِنَّا مَعَكُم مُّسۡتَمِعُونَ

Niteny Izy (Allah) hoe : “Tsy izany ! Mandehana ianareo roa miaraka amin’ny fahagagana avy Aminay. Tena marina fa Izahay dia miaraka aminareo sy mihaino". info
التفاسير:

external-link copy
16 : 26

فَأۡتِيَا فِرۡعَوۡنَ فَقُولَآ إِنَّا رَسُولُ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Aoka ianareo roa ho tonga any amin’i Faraona, ka ilazao izy hoe : “Izahay dia irak'i Tompon’izao tontolo izao". info
التفاسير:

external-link copy
17 : 26

أَنۡ أَرۡسِلۡ مَعَنَا بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ

"Mba handefasanao ireo zanak’Israely hiaraka aminay” info
التفاسير:

external-link copy
18 : 26

قَالَ أَلَمۡ نُرَبِّكَ فِينَا وَلِيدٗا وَلَبِثۡتَ فِينَا مِنۡ عُمُرِكَ سِنِينَ

Niteny izy (Faraona) hoe : “Moa ve tsy nobeazinay teto aminay fony mbola kely ianao ? Ary tsy nipetraka teto aminay nandritra ny taona maromaro tamin’ny fiainanao ve ianao ? info
التفاسير:

external-link copy
19 : 26

وَفَعَلۡتَ فَعۡلَتَكَ ٱلَّتِي فَعَلۡتَ وَأَنتَ مِنَ ٱلۡكَٰفِرِينَ

Avy eo dia nanao ny asa ratsy izay nataonao ianao, ary isan’ireo tsy mpankasitraka ianao. info
التفاسير: