Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad

Lambar shafi:close

external-link copy
231 : 2

وَإِذَا طَلَّقۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ فَبَلَغۡنَ أَجَلَهُنَّ فَأَمۡسِكُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٍ أَوۡ سَرِّحُوهُنَّ بِمَعۡرُوفٖۚ وَلَا تُمۡسِكُوهُنَّ ضِرَارٗا لِّتَعۡتَدُواْۚ وَمَن يَفۡعَلۡ ذَٰلِكَ فَقَدۡ ظَلَمَ نَفۡسَهُۥۚ وَلَا تَتَّخِذُوٓاْ ءَايَٰتِ ٱللَّهِ هُزُوٗاۚ وَٱذۡكُرُواْ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ عَلَيۡكُمۡ وَمَآ أَنزَلَ عَلَيۡكُم مِّنَ ٱلۡكِتَٰبِ وَٱلۡحِكۡمَةِ يَعِظُكُم بِهِۦۚ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ بِكُلِّ شَيۡءٍ عَلِيمٞ

Ary raha nosarahanareo ireo vehivavy (vadinareo), ka efa feno ny fotoana niandrasany, dia tazoninareo am-pahamendrehana izy ireo, na ampodionareo am-pahamendrehana. ary aza mitazona azy ireo amin’ny fampijaliana ianareo, fa handika ny didy aman-dalàna (lalan’i Allah). ary izay manao izany dia tena manao ny tsy rariny amin'ny tenany. ary aza maneso ny fanambaran'i Allah ianareo. ary tsarovinareo ny fahasoavan’ i Allah aminareo sy izay nampidininy taminareo amin’ny boky ary ny fahendrena izay ananarany anareo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantaronareo fa Allah dia tena mahalala ny zavatra rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
232 : 2

وَإِذَا طَلَّقۡتُمُ ٱلنِّسَآءَ فَبَلَغۡنَ أَجَلَهُنَّ فَلَا تَعۡضُلُوهُنَّ أَن يَنكِحۡنَ أَزۡوَٰجَهُنَّ إِذَا تَرَٰضَوۡاْ بَيۡنَهُم بِٱلۡمَعۡرُوفِۗ ذَٰلِكَ يُوعَظُ بِهِۦ مَن كَانَ مِنكُمۡ يُؤۡمِنُ بِٱللَّهِ وَٱلۡيَوۡمِ ٱلۡأٓخِرِۗ ذَٰلِكُمۡ أَزۡكَىٰ لَكُمۡ وَأَطۡهَرُۚ وَٱللَّهُ يَعۡلَمُ وَأَنتُمۡ لَا تَعۡلَمُونَ

Ary raha nisaraka tamin’ny vehivavy vadinareo ianareo, ka efa tapitra ny fe-potoana ho azy ireny, dia aoka ianareo tsy hanakana azy ireny hiverina hanambady indray ny vadiny teo aloha, raha efa nifanaiky ny hifanasoa ny roa tonta. Izany no anatra omena ireo izay mino an’Allah sy ny andro farany aminareo. Izany rahateo no fitondrantena madio sy mendrika indrindra ho anareo. Ary Mahay Allah, fa ianareo kosa tsy mahay na inona na inona. info
التفاسير:

external-link copy
233 : 2

۞ وَٱلۡوَٰلِدَٰتُ يُرۡضِعۡنَ أَوۡلَٰدَهُنَّ حَوۡلَيۡنِ كَامِلَيۡنِۖ لِمَنۡ أَرَادَ أَن يُتِمَّ ٱلرَّضَاعَةَۚ وَعَلَى ٱلۡمَوۡلُودِ لَهُۥ رِزۡقُهُنَّ وَكِسۡوَتُهُنَّ بِٱلۡمَعۡرُوفِۚ لَا تُكَلَّفُ نَفۡسٌ إِلَّا وُسۡعَهَاۚ لَا تُضَآرَّ وَٰلِدَةُۢ بِوَلَدِهَا وَلَا مَوۡلُودٞ لَّهُۥ بِوَلَدِهِۦۚ وَعَلَى ٱلۡوَارِثِ مِثۡلُ ذَٰلِكَۗ فَإِنۡ أَرَادَا فِصَالًا عَن تَرَاضٖ مِّنۡهُمَا وَتَشَاوُرٖ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡهِمَاۗ وَإِنۡ أَرَدتُّمۡ أَن تَسۡتَرۡضِعُوٓاْ أَوۡلَٰدَكُمۡ فَلَا جُنَاحَ عَلَيۡكُمۡ إِذَا سَلَّمۡتُم مَّآ ءَاتَيۡتُم بِٱلۡمَعۡرُوفِۗ وَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ بِمَا تَعۡمَلُونَ بَصِيرٞ

Ary ireo reny, dia mampinono ny zanany mandritra ny roa taona feno, ho an’izay te-hameno tanteraka ny fe-potoana fampinonoana. ary adidy ho an’ireo rain-jaza ny manome sakafo sy mampitafy azy ireo am-pahamendrehana. ka tsy azo terena izy afa-tsy amin’izay zakany. tsy tokony hiharam-pahavoazana ny reny noho ny amin’ny zanany, na ny rainy koa noho ny amin’ny zanany. ary manana adidy mitovy amin’izany koa ny mpandova. ary raha mikasa ny fampitsaharana ny fampinonoana izy roa, ka niarahany nanaiky (izany), dia tsy omena tsiny izy roa. ary raha mitady olon-kafa hampinono ny zanakareo ianareo, dia tsy homen-tsiny, rehefa nomenareo izay tokony homena azy am-pahamendrehana izy ireo. ary matahora an’i Allah ianareo, ary fantaronareo fa Allah dia tena mahita tsara izay rehetra ataonareo. info
التفاسير: