Fassarar Ma'anonin Alqura'ni - Fassarar Malagashiyanci - Cibiyar fassara ta Ruwwad

Lambar shafi:close

external-link copy
12 : 19

يَٰيَحۡيَىٰ خُذِ ٱلۡكِتَٰبَ بِقُوَّةٖۖ وَءَاتَيۡنَٰهُ ٱلۡحُكۡمَ صَبِيّٗا

“ Ô ry Yahya (Jaona) ! Raiso ny Boky (Taoraty), ka mifikira mafy aminy ! ”. Ary nomenay fahendrena Izy fony mbola zaza, info
التفاسير:

external-link copy
13 : 19

وَحَنَانٗا مِّن لَّدُنَّا وَزَكَوٰةٗۖ وَكَانَ تَقِيّٗا

Ary koa fitiavana avy Aminay sy fahadiovana, ary Izy dia nanam-patahorana (an’i Allah). info
التفاسير:

external-link copy
14 : 19

وَبَرَّۢا بِوَٰلِدَيۡهِ وَلَمۡ يَكُن جَبَّارًا عَصِيّٗا

Ary niantra ireo Ray aman-dreniny Izy; ary tsy mba nahery setra sy tsy mba nanota. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 19

وَسَلَٰمٌ عَلَيۡهِ يَوۡمَ وُلِدَ وَيَوۡمَ يَمُوتُ وَيَوۡمَ يُبۡعَثُ حَيّٗا

Ary ho Aminy anie ny fiadanana, amin’ny Andro izay nahaterahany, sy amin’ny Andro izay ahafatesany, ary amin’ny Andro izay hananganana Azy amin’ny maty ho velona ! info
التفاسير:

external-link copy
16 : 19

وَٱذۡكُرۡ فِي ٱلۡكِتَٰبِ مَرۡيَمَ إِذِ ٱنتَبَذَتۡ مِنۡ أَهۡلِهَا مَكَانٗا شَرۡقِيّٗا

Tsiahivo ao amin’ny Boky (Koroany) i Mariamo (Maria), raha nisintaka tamin’ny fianakaviany Izy, nankany amin’ny toerana iray any antsinanana. info
التفاسير:

external-link copy
17 : 19

فَٱتَّخَذَتۡ مِن دُونِهِمۡ حِجَابٗا فَأَرۡسَلۡنَآ إِلَيۡهَا رُوحَنَا فَتَمَثَّلَ لَهَا بَشَرٗا سَوِيّٗا

Ka nasiany lamba sarona nanelanelana Azy,sy izy ireo. Ary nalefanay Taminy ny Anjelinay (Gabriel), izay niseho Taminy amin’ny endrika lehilahy tomady. info
التفاسير:

external-link copy
18 : 19

قَالَتۡ إِنِّيٓ أَعُوذُ بِٱلرَّحۡمَٰنِ مِنكَ إِن كُنتَ تَقِيّٗا

Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Izaho dia mangataka fiarovana amin’Ilay be Fiantrana hanoherako Anao; raha tena manam-patahorana Ianao ! info
التفاسير:

external-link copy
19 : 19

قَالَ إِنَّمَآ أَنَا۠ رَسُولُ رَبِّكِ لِأَهَبَ لَكِ غُلَٰمٗا زَكِيّٗا

Namaly izy (Gabriel) hoe : “Izaho dia tena Iraka avy amin’ny Tomponao, mba hanome anao zaza lahy madio”. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 19

قَالَتۡ أَنَّىٰ يَكُونُ لِي غُلَٰمٞ وَلَمۡ يَمۡسَسۡنِي بَشَرٞ وَلَمۡ أَكُ بَغِيّٗا

Niteny Izy (Mariamo) ka nanao hoe : “ Ahoana moa no hananako Zanaka lahy, nefa tsy nisy lehilahy nikasika Ahy akory aza, ary tsy mba mpijangajanga Aho ? ” info
التفاسير:

external-link copy
21 : 19

قَالَ كَذَٰلِكِ قَالَ رَبُّكِ هُوَ عَلَيَّ هَيِّنٞۖ وَلِنَجۡعَلَهُۥٓ ءَايَةٗ لِّلنَّاسِ وَرَحۡمَةٗ مِّنَّاۚ وَكَانَ أَمۡرٗا مَّقۡضِيّٗا

Niteny Izy (Gabriel) ka nanao hoe : “ Ho tanteraka izany ! ”.Niteny ny Tomponao hoe : “ Mora Amiko izany ! Ary hataonay famantarana ho an’ny Olombelona Izy, sy famindram-po avy Aminay. Ary izany dia didy efa tapaka ”. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 19

۞ فَحَمَلَتۡهُ فَٱنتَبَذَتۡ بِهِۦ مَكَانٗا قَصِيّٗا

Dia nitoe-jaza àry Izy,ka nisintaka niaraka Taminy (zazakely) tamin’ny toerana lavidavitra Izy. info
التفاسير:

external-link copy
23 : 19

فَأَجَآءَهَا ٱلۡمَخَاضُ إِلَىٰ جِذۡعِ ٱلنَّخۡلَةِ قَالَتۡ يَٰلَيۡتَنِي مِتُّ قَبۡلَ هَٰذَا وَكُنتُ نَسۡيٗا مَّنسِيّٗا

Dia nitondra azy teo am-pototry ny hazo palma (atrendry) rehefa nihetsi-jaza, dia hoy izy tamin’izany : “Loza ho Ahy! Aleoko maty talohan’izao fotoana izao ka nohadinoina tanteraka aho!” info
التفاسير:

external-link copy
24 : 19

فَنَادَىٰهَا مِن تَحۡتِهَآ أَلَّا تَحۡزَنِي قَدۡ جَعَلَ رَبُّكِ تَحۡتَكِ سَرِيّٗا

Dia niantso azy ny avy ao ambaniny nanao hoe : “ Aza malahelo ianao; fa nasin’ny Tomponao loharano eo ambaninao ”. info
التفاسير:

external-link copy
25 : 19

وَهُزِّيٓ إِلَيۡكِ بِجِذۡعِ ٱلنَّخۡلَةِ تُسَٰقِطۡ عَلَيۡكِ رُطَبٗا جَنِيّٗا

Hozongozono mankany Aminao ny vatan’ny palma (atrendry);fa handatsaka atrendry tsara sady masaka eo Aminao Izy. info
التفاسير: