Traducción de los significados del Sagrado Corán - Traducción al malgache - Centro de Rowad At-Taryama

Al-anfal

external-link copy
1 : 8

يَسۡـَٔلُونَكَ عَنِ ٱلۡأَنفَالِۖ قُلِ ٱلۡأَنفَالُ لِلَّهِ وَٱلرَّسُولِۖ فَٱتَّقُواْ ٱللَّهَ وَأَصۡلِحُواْ ذَاتَ بَيۡنِكُمۡۖ وَأَطِيعُواْ ٱللَّهَ وَرَسُولَهُۥٓ إِن كُنتُم مُّؤۡمِنِينَ

Manontany anao izy ireo mahakasika ireo fananana babo tamin’ny ady. Teneno hoe : “Ireo fananana babo tamin’ny ady dia an’I Allah sy ny Iraka”. Ka matahora an’I Allah ianareo, hatsarao ny fifandraisana eo aminareo samy anareo ary ankatoavinareo I Allah sy ny Iraka nalefany, raha toa ka mpino marina ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 8

إِنَّمَا ٱلۡمُؤۡمِنُونَ ٱلَّذِينَ إِذَا ذُكِرَ ٱللَّهُ وَجِلَتۡ قُلُوبُهُمۡ وَإِذَا تُلِيَتۡ عَلَيۡهِمۡ ءَايَٰتُهُۥ زَادَتۡهُمۡ إِيمَٰنٗا وَعَلَىٰ رَبِّهِمۡ يَتَوَكَّلُونَ

Ireo tena mpino, dia ireo izay mientana ny fony rahefa tsiahivina ny anaran’Allah. Ary rahefa tanisaina eo amin’izy ireo ny teny famantarany, dia mampitombo ny finoan’izy ireo izany, ary amin’ny Tompon’izy ireo no iankinany. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 8

ٱلَّذِينَ يُقِيمُونَ ٱلصَّلَوٰةَ وَمِمَّا رَزَقۡنَٰهُمۡ يُنفِقُونَ

Ireo izay manatanteraka ny vavaka fanompoana sy ireo izay mahafoy mamoaka amin’izay anjara fivelomana nomenay azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 8

أُوْلَٰٓئِكَ هُمُ ٱلۡمُؤۡمِنُونَ حَقّٗاۚ لَّهُمۡ دَرَجَٰتٌ عِندَ رَبِّهِمۡ وَمَغۡفِرَةٞ وَرِزۡقٞ كَرِيمٞ

Izy ireny no tena mpino marina, fa hanana voninahitra ambony any amin’ny Tompo zanahariny, ary famelan-keloka koa
sy anjara fivelomana mendrika.
info
التفاسير:

external-link copy
5 : 8

كَمَآ أَخۡرَجَكَ رَبُّكَ مِنۢ بَيۡتِكَ بِٱلۡحَقِّ وَإِنَّ فَرِيقٗا مِّنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ لَكَٰرِهُونَ

Tahaka izany no namoahan’ny Tomponao anao tamim-pahamarinana avy tao amin’ny tranonao, na dia nankahala izany aza ny sasany tamin’ireo mpino. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 8

يُجَٰدِلُونَكَ فِي ٱلۡحَقِّ بَعۡدَ مَا تَبَيَّنَ كَأَنَّمَا يُسَاقُونَ إِلَى ٱلۡمَوۡتِ وَهُمۡ يَنظُرُونَ

Miady hevitra aminao izy ireo momba ny fahamarinana taorian’ny nampazava miharihary izany, tahaka notarihina ho any amin’ny fahafatesana izy ireo, ary mahita maso izany. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 8

وَإِذۡ يَعِدُكُمُ ٱللَّهُ إِحۡدَى ٱلطَّآئِفَتَيۡنِ أَنَّهَا لَكُمۡ وَتَوَدُّونَ أَنَّ غَيۡرَ ذَاتِ ٱلشَّوۡكَةِ تَكُونُ لَكُمۡ وَيُرِيدُ ٱللَّهُ أَن يُحِقَّ ٱلۡحَقَّ بِكَلِمَٰتِهِۦ وَيَقۡطَعَ دَابِرَ ٱلۡكَٰفِرِينَ

Ary raha nampanantena anareo Allah, ny fandresena iray tamin’ireo vondrona roa. ”Ianareo dia naniry ireo tsy mitam-piadiana, fa Allah kosa dia mila hampandresy ny fahamarinana ami’ny alalan’ny Teniny ka handripaka ireo tsy mpino rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 8

لِيُحِقَّ ٱلۡحَقَّ وَيُبۡطِلَ ٱلۡبَٰطِلَ وَلَوۡ كَرِهَ ٱلۡمُجۡرِمُونَ

Mba hanamafiana orina ny fandresen’ny fahamarinana sy hanafoanana ny tsy marina, na dia nankahala izany aza ireo mpanao heloka. info
التفاسير: