Manontany anao izy ireo mahakasika ireo fananana babo tamin’ny ady. Teneno hoe : “Ireo fananana babo tamin’ny ady dia an’I Allah sy ny Iraka”. Ka matahora an’I Allah ianareo, hatsarao ny fifandraisana eo aminareo samy anareo ary ankatoavinareo I Allah sy ny Iraka nalefany, raha toa ka mpino marina ianareo.
Ireo tena mpino, dia ireo izay mientana ny fony rahefa tsiahivina ny anaran’Allah. Ary rahefa tanisaina eo amin’izy ireo ny teny famantarany, dia mampitombo ny finoan’izy ireo izany, ary amin’ny Tompon’izy ireo no iankinany.
Ary raha nampanantena anareo Allah, ny fandresena iray tamin’ireo vondrona roa. ”Ianareo dia naniry ireo tsy mitam-piadiana, fa Allah kosa dia mila hampandresy ny fahamarinana ami’ny alalan’ny Teniny ka handripaka ireo tsy mpino rehetra.