Qurani Kərimin mənaca tərcüməsi - Madaqaskar dilinə tərcümə - "Ruvvad" tərcümə mərkəzi.

At-twàriq

external-link copy
1 : 86

وَٱلسَّمَآءِ وَٱلطَّارِقِ

Mianiana amin’ny lanitra, sy amin’ny kintana fitarik’andro Aho. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 86

وَمَآ أَدۡرَىٰكَ مَا ٱلطَّارِقُ

Moa mba fantatrao va izany kintana fitarik’andro izany? info
التفاسير:

external-link copy
3 : 86

ٱلنَّجۡمُ ٱلثَّاقِبُ

Ilay kintana feno famirapiratana. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 86

إِن كُلُّ نَفۡسٖ لَّمَّا عَلَيۡهَا حَافِظٞ

Eny! Tsy misy fanahy ka tsy manana mpiambina, info
التفاسير:

external-link copy
5 : 86

فَلۡيَنظُرِ ٱلۡإِنسَٰنُ مِمَّ خُلِقَ

Koa tokony handinika ny olombelona, avy amin'inona tokoa moa no nahariana azy? info
التفاسير:

external-link copy
6 : 86

خُلِقَ مِن مَّآءٖ دَافِقٖ

Nohariana avy amin'ny ranon'aina mifantsitsitra izy. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 86

يَخۡرُجُ مِنۢ بَيۡنِ ٱلصُّلۡبِ وَٱلتَّرَآئِبِ

izay mivoaka avy eo anelanelan'ny taolan-damosina sy ny tehezana. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 86

إِنَّهُۥ عَلَىٰ رَجۡعِهِۦ لَقَادِرٞ

tena marina fa Izy Allah dia mahafehy amin'ny fananganana azy amin'ny maty, info
التفاسير:

external-link copy
9 : 86

يَوۡمَ تُبۡلَى ٱلسَّرَآئِرُ

amin'ny Andro izay hamborahana ireo miafina rehetra tao am-po, info
التفاسير:

external-link copy
10 : 86

فَمَا لَهُۥ مِن قُوَّةٖ وَلَا نَاصِرٖ

ka tsy hananan'ny olombelona hery sy mpamonjy, info
التفاسير:

external-link copy
11 : 86

وَٱلسَّمَآءِ ذَاتِ ٱلرَّجۡعِ

Mianiana Aho amin'ny lanitra izay mampisy ny orana, info
التفاسير:

external-link copy
12 : 86

وَٱلۡأَرۡضِ ذَاتِ ٱلصَّدۡعِ

sy ny tany izay mampitsiry ireo zava-maniry, info
التفاسير:

external-link copy
13 : 86

إِنَّهُۥ لَقَوۡلٞ فَصۡلٞ

fa ny Koroany masina dia teny manavaka ny marina amin'ny lainga, info
التفاسير:

external-link copy
14 : 86

وَمَا هُوَ بِٱلۡهَزۡلِ

ary tsy vazivazy tsy misy fotony velively akory, info
التفاسير:

external-link copy
15 : 86

إِنَّهُمۡ يَكِيدُونَ كَيۡدٗا

Mampiasa ny hafetsen-dratsiny tokoa izy ireo (ireo tsy mpino), info
التفاسير:

external-link copy
16 : 86

وَأَكِيدُ كَيۡدٗا

Izaho koa anefa dia mamaly azy ireo ny amin'izany, info
التفاسير:

external-link copy
17 : 86

فَمَهِّلِ ٱلۡكَٰفِرِينَ أَمۡهِلۡهُمۡ رُوَيۡدَۢا

Koa omeo fe-potoana ireo tsy mpino, fe-potoana kely ihany. info
التفاسير: