Nahazo ohatra tsara tokoa ianareo tamin’izy ireo, ho an’izay manantena an’Allah sy ny andro farany ; fa izay mivily kosa dia hamafisina, fa Allah, Izy no Ilay Tompon’ny harena, Ilay mendri-piderana.
Mety hampisy fifankatiavana eo aminareo, sy izay fahavalonareo teo aloha Allah, fa mahefa ny zava-drehetra Allah, ary mpamela heloka sy be indrafo I Allah.
Tsy misakana anareo hanao ny tsara Allah sy hanao ny marina amin’izay tsy niady taminareo nohon'ny finoana, sady tsy nandroaka anareo tamin’ny fonenanareo. Tena marina fa tia izay manao ny rariny Allah.
Fa andraran'I Allah anareo kosa ny maka ho namana izay niady taminareo nohon'ny finoana, sy nandroaka anareo tamin'ny fonenanareo, ary nanampy tamin'ny fandroahana anareo, fa izay maka azy ireo ho namana dia izy ireo no mpanao ny tsy rariny.
Ary raha misy mandositra any amin’ireo tsy mpino ny vadinareo, ka manao famaizana (ireo tsy mpino) ianareo, dia avereno amin’izay very vady ny laniny. Matahora an’I Allah izay inoanareo ianareo.