Ô ry Olombelona ! Matahora an’ny Tomponareo, izay nahary Anareo avy tamin’ny vatana iray, sy nahary avy aminy ny vadiny [60], ary nampiely avy tamin’izy roa, lehilahy maro sy vehivavy. Ary matahora an’i Allah izay amin’ny anarany no hifangatahanareo; ary matahora amin’ny fanapahana ny rohim-pihavanana Ianareo. Tena marina fa i Allah dia manara-maso Anareo tokoa.