Ka neken’ny Tompony izany tamin’ny fanekena mendrika, ary nampitomboiny tsara Izy tamin’ny fitomboana mendrika, ary notendreny ho mpiahy Azy i Zakaria. Isaka ny miditra ao Aminy i Zakaria eo amin’ny Mihrab [43] ,dia mahita sakafo ao Aminy. Niteny izy nanao hoe : “ Ô ry Mariamo ! Avy aiza no nahazahoanao io (sakafo io) ? ”. Niteny Izy nanao hoe : “ Avy amin’i Allah izy ireto ”. Tena marina fa i Allah dia manome anjara tsy tambo isaina ho an’izay sitrany.