Ary tsarovinareo raha niteny tamin'ny vahoakany i Mpaminany Moussa hoe : " Tena marina fa Allah dia mandidy anareo hanao sorona ombivavy iray ". dia hoy izy ireo hoe : " Raisinao ho vazivazy ve izahay ". dia nilaza izy hoe : " Allah anie hiaro ahy tsy ho anisan'ireo olona tsy mahalala ".