An’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra ety an-tany. Raha habaribarinareo izay amin’ny tenanareo na hafeninareo, dia hotsarain’i Allah amin’izany Ianareo. Ka hamela heloka an’izay sitrany Izy, ary hanafay izay sitrany ihany koa. Ary i Allah dia Mahefa ny zava-drehetra.