Nandresy noho ny herin’i Allah izy ireo, ary matin’i Daoda i Jalota (matin’i Davida i Goliata), ary nomen’i Allah Azy ny fanjakana sy ny fahendrena, ary nampianariny izay rehetra sitrany Izy. Ary raha tsy noho ny fiarovan'i Allah ny olombelona ankilany avy amin'ny alàlan'ny andaniny, dia tena efa simba tanteraka ny tany, nefa Allah no tompom-pahasoavana eto amin’izao tontolo izao.