Tsy misy tsiny ho anareo akory ny mikatsaka fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tomponareo. Fa rehefa tafavory eo amin’ny tany Arafat ianareo, dia mahatsiarova an’Allah eo amin’ilay toerana masina. Mangataha Aminy ianareo tahaka ny nitarihany anareo amin’ny làla-marina, na dia isan’ireo very làlana aza ianareo talohan’izany.