የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል

Al-bayyinah

external-link copy
1 : 98

لَمۡ يَكُنِ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ وَٱلۡمُشۡرِكِينَ مُنفَكِّينَ حَتَّىٰ تَأۡتِيَهُمُ ٱلۡبَيِّنَةُ

Ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ireo mpampikambana Tompo amin'ny hafa dia tsy nijanona tamin'ny tsy finoana mihitsy raha tsy tonga tamin'izy ireo ny porofo mazava. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 98

رَسُولٞ مِّنَ ٱللَّهِ يَتۡلُواْ صُحُفٗا مُّطَهَّرَةٗ

Dia ilay iraka avy amin'I Allah izany, izay mamaky ireo takelaka feno fahadiovana. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 98

فِيهَا كُتُبٞ قَيِّمَةٞ

Izay mifono faminaniana tsy miovaova. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 98

وَمَا تَفَرَّقَ ٱلَّذِينَ أُوتُواْ ٱلۡكِتَٰبَ إِلَّا مِنۢ بَعۡدِ مَا جَآءَتۡهُمُ ٱلۡبَيِّنَةُ

Ary tsy nitovy hevitra ireo izay rehetra nanolorana boky masina raha tsy taorian'ny nahatongavan'ny porofo mazava tsara tamin'izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 98

وَمَآ أُمِرُوٓاْ إِلَّا لِيَعۡبُدُواْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ حُنَفَآءَ وَيُقِيمُواْ ٱلصَّلَوٰةَ وَيُؤۡتُواْ ٱلزَّكَوٰةَۚ وَذَٰلِكَ دِينُ ٱلۡقَيِّمَةِ

Eny ! Tsy nodidiana izy ireo afa-tsy ny hanompo Allah amin'ny finoana feno fahadiovam-po sy tsy misy fangarony, ary hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana (soalaty) sy hanome ny ampaham-pananana (zakaty) ho an'ireo mendrika izany, eny ! Izany no finoana marina sy mendrika. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 98

إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ مِنۡ أَهۡلِ ٱلۡكِتَٰبِ وَٱلۡمُشۡرِكِينَ فِي نَارِ جَهَنَّمَ خَٰلِدِينَ فِيهَآۚ أُوْلَٰٓئِكَ هُمۡ شَرُّ ٱلۡبَرِيَّةِ

Tena marina fa ireo tsy mpino tamin'ireo olon'ny boky masina sy ny mpanompo sampy dia hiditra ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay, izy ireo no tena zava-boary ratsy indindra. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 98

إِنَّ ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ أُوْلَٰٓئِكَ هُمۡ خَيۡرُ ٱلۡبَرِيَّةِ

Fa ireo izay nino sy nanao asa soa kosa dia izy ireo no zava-boary tsara indindra eto an-tany. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 98

جَزَآؤُهُمۡ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتُ عَدۡنٖ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَآ أَبَدٗاۖ رَّضِيَ ٱللَّهُ عَنۡهُمۡ وَرَضُواْ عَنۡهُۚ ذَٰلِكَ لِمَنۡ خَشِيَ رَبَّهُۥ

a ny valisoa azon'izy ireo avy amin'ny Tompon'izy ireo dia ny Paradisa honenana izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo ! Tompo Allah dia mankasitraka azy ireo, ary izy ireo koa dia mankasitraka Azy, toy izany no anjaran'izay matahotra ny Tompony. info
التفاسير: