የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል

የገፅ ቁጥር:close

external-link copy
123 : 9

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ قَٰتِلُواْ ٱلَّذِينَ يَلُونَكُم مِّنَ ٱلۡكُفَّارِ وَلۡيَجِدُواْ فِيكُمۡ غِلۡظَةٗۚ وَٱعۡلَمُوٓاْ أَنَّ ٱللَّهَ مَعَ ٱلۡمُتَّقِينَ

Oh Ianareo izay mino, miadia amin’ireo tsy mpino izay akaikinareo Ianareo, ka mba hahita ny fahenjananareo izy ireo. Ary fantaronareo fa Allah dia miaraka tokoa amin’ireo manam-patahorana. info
التفاسير:

external-link copy
124 : 9

وَإِذَا مَآ أُنزِلَتۡ سُورَةٞ فَمِنۡهُم مَّن يَقُولُ أَيُّكُمۡ زَادَتۡهُ هَٰذِهِۦٓ إِيمَٰنٗاۚ فَأَمَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ فَزَادَتۡهُمۡ إِيمَٰنٗا وَهُمۡ يَسۡتَبۡشِرُونَ

Ary raha misy antokon-tsoratra masina iray nidina, dia misy amin’izy ireo ny miteny hoe : “Iza aminareo no nampitomboiny finoana?”. Fa ho an’ireo mpino kosa, dia ampitombo ny finoan’izy ireo izany, ka ho faly izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
125 : 9

وَأَمَّا ٱلَّذِينَ فِي قُلُوبِهِم مَّرَضٞ فَزَادَتۡهُمۡ رِجۡسًا إِلَىٰ رِجۡسِهِمۡ وَمَاتُواْ وَهُمۡ كَٰفِرُونَ

Fa ireo izay misy aretina kosa ny fony, dia vao maika nanampy ny fahalotoana ho fanampin’ny fahalotoan’izy ireo izany, ka maty tsy mpino izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
126 : 9

أَوَلَا يَرَوۡنَ أَنَّهُمۡ يُفۡتَنُونَ فِي كُلِّ عَامٖ مَّرَّةً أَوۡ مَرَّتَيۡنِ ثُمَّ لَا يَتُوبُونَ وَلَا هُمۡ يَذَّكَّرُونَ

Moa ve tsy hitan’izy ireo, fa tsapaina indray mandeha na in-droa isan-taona izy ireo ? Na dia izany aza, dia tsy nibebaka na nahatsiaro tena izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
127 : 9

وَإِذَا مَآ أُنزِلَتۡ سُورَةٞ نَّظَرَ بَعۡضُهُمۡ إِلَىٰ بَعۡضٍ هَلۡ يَرَىٰكُم مِّنۡ أَحَدٖ ثُمَّ ٱنصَرَفُواْۚ صَرَفَ ٱللَّهُ قُلُوبَهُم بِأَنَّهُمۡ قَوۡمٞ لَّا يَفۡقَهُونَ

Ary raha nidina ny antokon-tsoratra masina iray, dia nifampijery izy ireo (ary nifampiteny): “Moa misy mahita va ianareo?”. Avy eo dia nivily làlana izy ireo. Aoka havilin’Allah ny fon’izy ireo, satria olona tsy mandinika. info
التفاسير:

external-link copy
128 : 9

لَقَدۡ جَآءَكُمۡ رَسُولٞ مِّنۡ أَنفُسِكُمۡ عَزِيزٌ عَلَيۡهِ مَا عَنِتُّمۡ حَرِيصٌ عَلَيۡكُم بِٱلۡمُؤۡمِنِينَ رَءُوفٞ رَّحِيمٞ

Marina, fa tonga taminareo ny Iraka notsongaina avy aminareo, izay nivesatra ny fahasahirananareo, ka feno fiahiana anareo, ary mangoraka sy mamindra-fo ireo mpino. info
التفاسير:

external-link copy
129 : 9

فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَقُلۡ حَسۡبِيَ ٱللَّهُ لَآ إِلَٰهَ إِلَّا هُوَۖ عَلَيۡهِ تَوَكَّلۡتُۖ وَهُوَ رَبُّ ٱلۡعَرۡشِ ٱلۡعَظِيمِ

Ary raha mitodi-damosina izy ireo dia teneno hoe : " Ampy Ahy i Allah ! Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany. Aminy no ametrahako ny fitokisako ary Izy no Tompon’ilay seza fiandrianana lehibe. info
التفاسير: