የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል

የገፅ ቁጥር:close

external-link copy
64 : 29

وَمَا هَٰذِهِ ٱلۡحَيَوٰةُ ٱلدُّنۡيَآ إِلَّا لَهۡوٞ وَلَعِبٞۚ وَإِنَّ ٱلدَّارَ ٱلۡأٓخِرَةَ لَهِيَ ٱلۡحَيَوَانُۚ لَوۡ كَانُواْ يَعۡلَمُونَ

Ary tsy inona ity fiainana eto an-tany ity, afa-tsy fialam-boly sy kilalao fotsiny ihany. Fa ny tena marina dia, ny fonenana any an-koatra no tena fiainana. Raha mba mahafantatra izy ireo ! info
التفاسير:

external-link copy
65 : 29

فَإِذَا رَكِبُواْ فِي ٱلۡفُلۡكِ دَعَوُاْ ٱللَّهَ مُخۡلِصِينَ لَهُ ٱلدِّينَ فَلَمَّا نَجَّىٰهُمۡ إِلَى ٱلۡبَرِّ إِذَا هُمۡ يُشۡرِكُونَ

Rehefa nitaingina tao anatin’ny sambo izy ireo, dia nangataka tamin’i Allah am-panokanana tanteraka ny fivavahana madio ho Azy. Koa rehefa navotany izy ireo, ka tody soa aman-tsara teny an-tanety, dia indro izy ireo fa manakambana Azy amin’ny zavatra hafa. info
التفاسير:

external-link copy
66 : 29

لِيَكۡفُرُواْ بِمَآ ءَاتَيۡنَٰهُمۡ وَلِيَتَمَتَّعُواْۚ فَسَوۡفَ يَعۡلَمُونَ

Mba tsy hankasitraka amin’izay nomenay azy izy ireo, koa aoka hifaly izy ireo (amin’ny hasoavana eto an-tany) ! Ka ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany. info
التفاسير:

external-link copy
67 : 29

أَوَلَمۡ يَرَوۡاْ أَنَّا جَعَلۡنَا حَرَمًا ءَامِنٗا وَيُتَخَطَّفُ ٱلنَّاسُ مِنۡ حَوۡلِهِمۡۚ أَفَبِٱلۡبَٰطِلِ يُؤۡمِنُونَ وَبِنِعۡمَةِ ٱللَّهِ يَكۡفُرُونَ

Tsy hitan’izy ireo ve, fa nanao toerana masina sy azo azo antoka izahay (Makka), nefa esorina ireo olona manodidina azy ireo ? Moa ve ny hadisoana no hinoan’izy ireo ka ny hasoavan’i Allah no lavin’izy ireo ? info
التفاسير:

external-link copy
68 : 29

وَمَنۡ أَظۡلَمُ مِمَّنِ ٱفۡتَرَىٰ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبًا أَوۡ كَذَّبَ بِٱلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَهُۥٓۚ أَلَيۡسَ فِي جَهَنَّمَ مَثۡوٗى لِّلۡكَٰفِرِينَ

Ary iza no tena manao ny tsy rariny mihoatra izay famoronan-dainga mahakasila an’i Allah, na koa milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy ? Moa ve tsy any amin’ny Afobe no fonenan’ireo tsy mpino ? info
التفاسير:

external-link copy
69 : 29

وَٱلَّذِينَ جَٰهَدُواْ فِينَا لَنَهۡدِيَنَّهُمۡ سُبُلَنَاۚ وَإِنَّ ٱللَّهَ لَمَعَ ٱلۡمُحۡسِنِينَ

Ary ho an’ireo izay nanao fiezahana momba anay dia hotarihanay amin’ny làlanay izy ireo, ary marina fa Allah dia tena miaraka amin’ireo mpanao asa fanasoavana. info
التفاسير: