የቅዱስ ቁርዓን ይዘት ትርጉም - የማላጋስኛ ትርጉም - ሩዋድ የትርጉም ማዕከል

የገፅ ቁጥር:close

external-link copy
184 : 26

وَٱتَّقُواْ ٱلَّذِي خَلَقَكُمۡ وَٱلۡجِبِلَّةَ ٱلۡأَوَّلِينَ

Ary matahora Ilay Nahary anareo sy ireo taranaka teo aloha ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
185 : 26

قَالُوٓاْ إِنَّمَآ أَنتَ مِنَ ٱلۡمُسَحَّرِينَ

Niteny izy ireo hoe : “Ianao dia tena anisan’ireo olona voan’ny mosavy". info
التفاسير:

external-link copy
186 : 26

وَمَآ أَنتَ إِلَّا بَشَرٞ مِّثۡلُنَا وَإِن نَّظُنُّكَ لَمِنَ ٱلۡكَٰذِبِينَ

Tsy iza ianao afa-tsy olombelona tahaka anay ihany ; ary izahay dia mihevitra tokoa fa tena anisan’ireo mpandainga ianao. info
التفاسير:

external-link copy
187 : 26

فَأَسۡقِطۡ عَلَيۡنَا كِسَفٗا مِّنَ ٱلسَّمَآءِ إِن كُنتَ مِنَ ٱلصَّٰدِقِينَ

Noho izany dia andatsaho ny tapaky ny lanitra izahay raha toa ka milaza ny marina ianao !” info
التفاسير:

external-link copy
188 : 26

قَالَ رَبِّيٓ أَعۡلَمُ بِمَا تَعۡمَلُونَ

Niteny izy hoe : “Ny Tompoko no tena mahalala izay ataonareo”. info
التفاسير:

external-link copy
189 : 26

فَكَذَّبُوهُ فَأَخَذَهُمۡ عَذَابُ يَوۡمِ ٱلظُّلَّةِۚ إِنَّهُۥ كَانَ عَذَابَ يَوۡمٍ عَظِيمٍ

Nefa nolazain’izy ireo fa mpandainga izy. Ka niharan’ny famaizan’ny andron’ny aloka izy ireo. Ary izany dia tena famaizan’ny andro lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
190 : 26

إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَأٓيَةٗۖ وَمَا كَانَ أَكۡثَرُهُم مُّؤۡمِنِينَ

Marina fa amin’izany dia misy fahagagana tokoa, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpino. info
التفاسير:

external-link copy
191 : 26

وَإِنَّ رَبَّكَ لَهُوَ ٱلۡعَزِيزُ ٱلرَّحِيمُ

Ary marina fa ny Tomponao, Izy no ilay Tsitoha, ilay be indrafo. info
التفاسير:

external-link copy
192 : 26

وَإِنَّهُۥ لَتَنزِيلُ رَبِّ ٱلۡعَٰلَمِينَ

Izy io (ny Kor’any) dia ny Tompon’izao tontolo izao no nampidina azy. info
التفاسير:

external-link copy
193 : 26

نَزَلَ بِهِ ٱلرُّوحُ ٱلۡأَمِينُ

Ary nidina niaraka taminy ilay Fanahy mendri-pitokisana (Anjely Gabriely). info
التفاسير:

external-link copy
194 : 26

عَلَىٰ قَلۡبِكَ لِتَكُونَ مِنَ ٱلۡمُنذِرِينَ

(Hametraka azy) Ao amin’ny fonao, mba ho anisan’ireo mpampitandrina ianao. info
التفاسير:

external-link copy
195 : 26

بِلِسَانٍ عَرَبِيّٖ مُّبِينٖ

Amin’ny fiteny arabo mazava tsara. info
التفاسير:

external-link copy
196 : 26

وَإِنَّهُۥ لَفِي زُبُرِ ٱلۡأَوَّلِينَ

Ary izy io dia efa voarakitra mazava tsara ao anatin’ny soratra masin’ireo teo aloha. info
التفاسير:

external-link copy
197 : 26

أَوَلَمۡ يَكُن لَّهُمۡ ءَايَةً أَن يَعۡلَمَهُۥ عُلَمَٰٓؤُاْ بَنِيٓ إِسۡرَٰٓءِيلَ

Moa ve tsy famantarana ho azy ireo izany, fa ireo manam-pahaizan’ny zanak’Israely dia mahafantatra tsara izany ? info
التفاسير:

external-link copy
198 : 26

وَلَوۡ نَزَّلۡنَٰهُ عَلَىٰ بَعۡضِ ٱلۡأَعۡجَمِينَ

Ary raha nampidina an’izany tamin’ny olon-kafa tsy arabo Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
199 : 26

فَقَرَأَهُۥ عَلَيۡهِم مَّا كَانُواْ بِهِۦ مُؤۡمِنِينَ

Ary novakiany tamin’izy ireo izany, dia tsy nino izany ihany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
200 : 26

كَذَٰلِكَ سَلَكۡنَٰهُ فِي قُلُوبِ ٱلۡمُجۡرِمِينَ

Tahaka izany no nampidiranay azy (ny ahiahy) tao amin’ny fon’ireo mpanao heloka bevava. info
التفاسير:

external-link copy
201 : 26

لَا يُؤۡمِنُونَ بِهِۦ حَتَّىٰ يَرَوُاْ ٱلۡعَذَابَ ٱلۡأَلِيمَ

Ka tsy hino izany (Kor’any izany) izy ireo alohan’ny ahitan’izy ireo ny famaizana mamirifiry. info
التفاسير:

external-link copy
202 : 26

فَيَأۡتِيَهُم بَغۡتَةٗ وَهُمۡ لَا يَشۡعُرُونَ

Izay ho tonga tampoka amin’izy ireo, ary tsy ahatsapa izany mihitsy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
203 : 26

فَيَقُولُواْ هَلۡ نَحۡنُ مُنظَرُونَ

Dia hiteny izy ireo hoe : “Moa ve ahazo fe-potoana izahay ?” info
التفاسير:

external-link copy
204 : 26

أَفَبِعَذَابِنَا يَسۡتَعۡجِلُونَ

Ny famaizana avy Aminay ve no tadiavin’izy ireo hafainganina ? info
التفاسير:

external-link copy
205 : 26

أَفَرَءَيۡتَ إِن مَّتَّعۡنَٰهُمۡ سِنِينَ

Hitanao ve raha omenay fahafinaretana izy ireo mandritra ny taona maro. info
التفاسير:

external-link copy
206 : 26

ثُمَّ جَآءَهُم مَّا كَانُواْ يُوعَدُونَ

Avy eo dia ho tonga amin’izy ireo izay nampitahorana azy ireo. info
التفاسير: