Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима

As-swaffat

external-link copy
1 : 37

وَٱلصَّٰٓفَّٰتِ صَفّٗا

Mianiana amin’ireo izay nalahatra amin’ny laharana Aho, info
التفاسير:

external-link copy
2 : 37

فَٱلزَّٰجِرَٰتِ زَجۡرٗا

Sy amin’ireo izay manosika mafy (ireo rahona), info
التفاسير:

external-link copy
3 : 37

فَٱلتَّٰلِيَٰتِ ذِكۡرًا

Ary amin’ireo izay mamaky ho fampahatsiahivana (Koroany) : info
التفاسير:

external-link copy
4 : 37

إِنَّ إِلَٰهَكُمۡ لَوَٰحِدٞ

Hamafisina, fa tokana ny Zanaharinareo, info
التفاسير:

external-link copy
5 : 37

رَّبُّ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَمَا بَيۡنَهُمَا وَرَبُّ ٱلۡمَشَٰرِقِ

Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelany, ary Tompon’ireo fiposahan’ny masoandro ”. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 37

إِنَّا زَيَّنَّا ٱلسَّمَآءَ ٱلدُّنۡيَا بِزِينَةٍ ٱلۡكَوَاكِبِ

Hamafisina, fa Izahay no nampihaingo ny lanitra akaiky indrindra amin’ny ravak’ireo kintana, info
التفاسير:

external-link copy
7 : 37

وَحِفۡظٗا مِّن كُلِّ شَيۡطَٰنٖ مَّارِدٖ

Mba ho fiarovana amin’ny satana mpikomy rehetra, info
التفاسير:

external-link copy
8 : 37

لَّا يَسَّمَّعُونَ إِلَى ٱلۡمَلَإِ ٱلۡأَعۡلَىٰ وَيُقۡذَفُونَ مِن كُلِّ جَانِبٖ

Tsy afaka hihaino ireo manan-kaja ambony intsony izy ireo, satria ho torahana izy ireo avy amin’ny fitodihana rehetra, info
التفاسير:

external-link copy
9 : 37

دُحُورٗاۖ وَلَهُمۡ عَذَابٞ وَاصِبٌ

Sady ho voatosika. Ary hahazo famaizana tsy manam-pahataperana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 37

إِلَّا مَنۡ خَطِفَ ٱلۡخَطۡفَةَ فَأَتۡبَعَهُۥ شِهَابٞ ثَاقِبٞ

Afa-tsy izay mihaino an-tsokosoko, dia hanenjika azy ny poti-kintana mandoaka. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 37

فَٱسۡتَفۡتِهِمۡ أَهُمۡ أَشَدُّ خَلۡقًا أَم مَّنۡ خَلَقۡنَآۚ إِنَّا خَلَقۡنَٰهُم مِّن طِينٖ لَّازِبِۭ

Anontanio àry izy ireo, moa ve izy ireo no tena sarotra amboarina indrindra noho izay noharianay ? Fa fotaka madity no noharianay azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 37

بَلۡ عَجِبۡتَ وَيَسۡخَرُونَ

Nefa gaga ianao, ary maneso izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 37

وَإِذَا ذُكِّرُواْ لَا يَذۡكُرُونَ

Ary rehefa ampahatsiahivina (ny Kor’ány) izy ireo, dia tsy mandray izany. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 37

وَإِذَا رَأَوۡاْ ءَايَةٗ يَسۡتَسۡخِرُونَ

Ary rehefa mahita famantarana izy ireo, dia manao izay hanesoana izany. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 37

وَقَالُوٓاْ إِنۡ هَٰذَآ إِلَّا سِحۡرٞ مُّبِينٌ

Ary miteny izy ireo hoe: “Majika miharihary ihany izany ”. info
التفاسير:

external-link copy
16 : 37

أَءِذَا مِتۡنَا وَكُنَّا تُرَابٗا وَعِظَٰمًا أَءِنَّا لَمَبۡعُوثُونَ

Rehefa maty izahay, ary lasa vovoka sy taolana, dia mbola ho velomina indray ve ? info
التفاسير:

external-link copy
17 : 37

أَوَءَابَآؤُنَا ٱلۡأَوَّلُونَ

Na koa ireo razambenay taloha ? ” info
التفاسير:

external-link copy
18 : 37

قُلۡ نَعَمۡ وَأَنتُمۡ دَٰخِرُونَ

Dia lazao hoe : “Eny ! Ary ho ambany tokoa ianareo”. info
التفاسير:

external-link copy
19 : 37

فَإِنَّمَا هِيَ زَجۡرَةٞ وَٰحِدَةٞ فَإِذَا هُمۡ يَنظُرُونَ

Tsy hisy afa-tsy hiaka tokana ihany, dia indro izy ireo fa hijery. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 37

وَقَالُواْ يَٰوَيۡلَنَا هَٰذَا يَوۡمُ ٱلدِّينِ

Ka hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Tonga ny andro hanomezana ny valin-kasasarana”. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 37

هَٰذَا يَوۡمُ ٱلۡفَصۡلِ ٱلَّذِي كُنتُم بِهِۦ تُكَذِّبُونَ

“Izany no andro fitsarana, izay nolazainareo fa lainga”. info
التفاسير:

external-link copy
22 : 37

۞ ٱحۡشُرُواْ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ وَأَزۡوَٰجَهُمۡ وَمَا كَانُواْ يَعۡبُدُونَ

“Angoninareo ireo izay nanao ny tsy rariny sy ny vadin’izy ireo, ary izay rehetra notompoiny, info
التفاسير:

external-link copy
23 : 37

مِن دُونِ ٱللَّهِ فَٱهۡدُوهُمۡ إِلَىٰ صِرَٰطِ ٱلۡجَحِيمِ

Ankoatran'I Allah dia tarihinareo makany amin’ny làlan’ny afobe izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 37

وَقِفُوهُمۡۖ إِنَّهُم مَّسۡـُٔولُونَ

Ary ajanony izy ireo fa tsy maintsy hanontaniana. info
التفاسير: