Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима

Бет рақами:close

external-link copy
10 : 3

إِنَّ ٱلَّذِينَ كَفَرُواْ لَن تُغۡنِيَ عَنۡهُمۡ أَمۡوَٰلُهُمۡ وَلَآ أَوۡلَٰدُهُم مِّنَ ٱللَّهِ شَيۡـٔٗاۖ وَأُوْلَٰٓئِكَ هُمۡ وَقُودُ ٱلنَّارِ

Tena marina fa, ireo izay tsy nino dia tsy hahavita na inona na inona amin'izy ireo, na ny haren’izy ireo, na ny Zanak’izy ireo, eo anatrehan’i Allah. Izy ireo no ho fandrehitry ny Afobe. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 3

كَدَأۡبِ ءَالِ فِرۡعَوۡنَ وَٱلَّذِينَ مِن قَبۡلِهِمۡۚ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا فَأَخَذَهُمُ ٱللَّهُ بِذُنُوبِهِمۡۗ وَٱللَّهُ شَدِيدُ ٱلۡعِقَابِ

Tahaka ny vahoakan’i Faraona sy ireo talohan’izy ireo, nilaza ho lainga ireo fanambaranay izy ireo, ka nosazian’i Allah nohon'ny fahotan'izy ireo. Ary mafy ny fanasazian'i Allah. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 3

قُل لِّلَّذِينَ كَفَرُواْ سَتُغۡلَبُونَ وَتُحۡشَرُونَ إِلَىٰ جَهَنَّمَۖ وَبِئۡسَ ٱلۡمِهَادُ

Teneno amin’ireo izay tsy nino hoe : “ Ho resy tsy ela ianareo, ary ho angonina ao anaty Afobe. Ary toerana ratsy tokoa izany! info
التفاسير:

external-link copy
13 : 3

قَدۡ كَانَ لَكُمۡ ءَايَةٞ فِي فِئَتَيۡنِ ٱلۡتَقَتَاۖ فِئَةٞ تُقَٰتِلُ فِي سَبِيلِ ٱللَّهِ وَأُخۡرَىٰ كَافِرَةٞ يَرَوۡنَهُم مِّثۡلَيۡهِمۡ رَأۡيَ ٱلۡعَيۡنِۚ وَٱللَّهُ يُؤَيِّدُ بِنَصۡرِهِۦ مَن يَشَآءُۚ إِنَّ فِي ذَٰلِكَ لَعِبۡرَةٗ لِّأُوْلِي ٱلۡأَبۡصَٰرِ

Efa nisy famantarana ho Anareo tamin'ireo andian’Olona roa nifanandrina: ny andiany iray dia niady amin’ny làlan’i Allah, ary ny andiany iray hafa kosa dia tsy mpino. Ireto farany dia nahita maso ireo mpino indroa amin’ny isan’izy ireo. Ary Allah dia manohana amin’ny alalan’ny fanampiany izay sitrany. Tena marina fa, ao anatin’izany dia misy lesona ho an’ireo manana fahiratan-tsaina. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 3

زُيِّنَ لِلنَّاسِ حُبُّ ٱلشَّهَوَٰتِ مِنَ ٱلنِّسَآءِ وَٱلۡبَنِينَ وَٱلۡقَنَٰطِيرِ ٱلۡمُقَنطَرَةِ مِنَ ٱلذَّهَبِ وَٱلۡفِضَّةِ وَٱلۡخَيۡلِ ٱلۡمُسَوَّمَةِ وَٱلۡأَنۡعَٰمِ وَٱلۡحَرۡثِۗ ذَٰلِكَ مَتَٰعُ ٱلۡحَيَوٰةِ ٱلدُّنۡيَاۖ وَٱللَّهُ عِندَهُۥ حُسۡنُ ٱلۡمَـَٔابِ

Nohatsaraina ho an’ny Olombelona ny fitiavana ny zavatra izay ankafiziny : amin'ireo vehivavy, ireo zanaka, ny harena betsaka amin’ireo volamena sy ny volafotsy, ireo soavaly voamarika, ireo biby fiompy sy ny tanimboly. Izany rehetra izany dia fahafinaretan’ny fiainana eto ambonin’ny tany. Ary eo anatrehan’i Allah no misy ny fiverenana tsara indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 3

۞ قُلۡ أَؤُنَبِّئُكُم بِخَيۡرٖ مِّن ذَٰلِكُمۡۖ لِلَّذِينَ ٱتَّقَوۡاْ عِندَ رَبِّهِمۡ جَنَّٰتٞ تَجۡرِي مِن تَحۡتِهَا ٱلۡأَنۡهَٰرُ خَٰلِدِينَ فِيهَا وَأَزۡوَٰجٞ مُّطَهَّرَةٞ وَرِضۡوَٰنٞ مِّنَ ٱللَّهِۗ وَٱللَّهُ بَصِيرُۢ بِٱلۡعِبَادِ

Teneno hoe : “ Atoroko Anareo ve ny tsara mihoatra izany ? Ho an’ireo izay manam-patahorana, eo anatrehan’ny Tompon’izy ireo, dia zaridaina izay misy renirano mikoriana eo ambaniny, ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo, sy vady maro izay voadio, ary koa ny fankatoavana avy amin’i Allah ”. Ary i Allah dia Mahita ny amin’ny antsipiriany ny momba ireo mpanompony. info
التفاسير: