Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима

Бет рақами:close

external-link copy
89 : 27

مَن جَآءَ بِٱلۡحَسَنَةِ فَلَهُۥ خَيۡرٞ مِّنۡهَا وَهُم مِّن فَزَعٖ يَوۡمَئِذٍ ءَامِنُونَ

Na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa soa, dia ahazo tsara kokoa noho izany izy, ary amin’izany andro izany, dia ho voaaro amin’ny tahotra izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
90 : 27

وَمَن جَآءَ بِٱلسَّيِّئَةِ فَكُبَّتۡ وُجُوهُهُمۡ فِي ٱلنَّارِ هَلۡ تُجۡزَوۡنَ إِلَّا مَا كُنتُمۡ تَعۡمَلُونَ

Ary na iza na iza tonga miaraka amin’ny asa ratsy dia ho aondrika ao anatin’ny afo ny tarehin’izy ireo. Moa ve tsy ho valiana ianareo afa-tsy amin’ny asa izay nataonareo ihany ? info
التفاسير:

external-link copy
91 : 27

إِنَّمَآ أُمِرۡتُ أَنۡ أَعۡبُدَ رَبَّ هَٰذِهِ ٱلۡبَلۡدَةِ ٱلَّذِي حَرَّمَهَا وَلَهُۥ كُلُّ شَيۡءٖۖ وَأُمِرۡتُ أَنۡ أَكُونَ مِنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ

“Tsy nodidiana aho afa-tsy hanompo Ilay Tompon’ity Tanàna ity izay nohamasininy; ary Azy ny zava-drehetra, ary nodidiana aho mba ho anisan’ireo mpanolo-tena (ho an’I Allah /ho mpino Silamo). info
التفاسير:

external-link copy
92 : 27

وَأَنۡ أَتۡلُوَاْ ٱلۡقُرۡءَانَۖ فَمَنِ ٱهۡتَدَىٰ فَإِنَّمَا يَهۡتَدِي لِنَفۡسِهِۦۖ وَمَن ضَلَّ فَقُلۡ إِنَّمَآ أَنَا۠ مِنَ ٱلۡمُنذِرِينَ

Ary ny hamakiako ny Koroany, ka na iza na iza mizotra amin’ny lala-mahitsy dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza no nanary ny tenany kosa dia teneno hoe : ”Izaho dia tsy inona, fa anisan’ireo mpampitandrina ihany”. info
التفاسير:

external-link copy
93 : 27

وَقُلِ ٱلۡحَمۡدُ لِلَّهِ سَيُرِيكُمۡ ءَايَٰتِهِۦ فَتَعۡرِفُونَهَاۚ وَمَا رَبُّكَ بِغَٰفِلٍ عَمَّا تَعۡمَلُونَ

Ary mitenena ianao hoe : ”Dera anie ho an’I Allah ! Fa hampahitany ireo famantarany ianareo, ka ho fantatrareo tokoa izany. Ary ny Tomponao dia tsy mba variana akory amin’izay ataonareo. info
التفاسير: