Қуръони Карим маъноларининг таржимаси - Малагасийча таржима

Al-forqan

external-link copy
1 : 25

تَبَارَكَ ٱلَّذِي نَزَّلَ ٱلۡفُرۡقَانَ عَلَىٰ عَبۡدِهِۦ لِيَكُونَ لِلۡعَٰلَمِينَ نَذِيرًا

Ankalazaina anie ny halehiben’Ilay Nampidina ny Bokin’ny Fanavahana (Kor’any, izay manavaka ny tsara sy ny ratsy) tamin’ny mpanompony mba ho mpampitandrina an’izao tontolo izao izy. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 25

ٱلَّذِي لَهُۥ مُلۡكُ ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَٱلۡأَرۡضِ وَلَمۡ يَتَّخِذۡ وَلَدٗا وَلَمۡ يَكُن لَّهُۥ شَرِيكٞ فِي ٱلۡمُلۡكِ وَخَلَقَ كُلَّ شَيۡءٖ فَقَدَّرَهُۥ تَقۡدِيرٗا

Ilay Tompon’ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, izay tsy manan-janaka velively, sady tsy misy mpiara-miombon’antoka Aminy eo amin’ny Fanjakana ary Izy no nahary ny zava-drehetra sy nandahatra azy araka ny tokony ho izy. info
التفاسير: