قرآن کریم کے معانی کا ترجمہ - ملاگاسی ترجمہ - مرکز رواد الترجمہ

Al-qamar

external-link copy
1 : 54

ٱقۡتَرَبَتِ ٱلسَّاعَةُ وَٱنشَقَّ ٱلۡقَمَرُ

Manakaiky ilay ora, ary mitresaka ny volana. info
التفاسير:

external-link copy
2 : 54

وَإِن يَرَوۡاْ ءَايَةٗ يُعۡرِضُواْ وَيَقُولُواْ سِحۡرٞ مُّسۡتَمِرّٞ

Raha mahita fahagagana izy ireo, dia manome lamosina, ka miteny hoe : “ Majika maharitra izany ! ” info
التفاسير:

external-link copy
3 : 54

وَكَذَّبُواْ وَٱتَّبَعُوٓاْ أَهۡوَآءَهُمۡۚ وَكُلُّ أَمۡرٖ مُّسۡتَقِرّٞ

Ary lazainy fa lainga, ka manaraka ny sitrapony izy ireo, nefa dia ho avy amin ‘ny fotoana ny zavatra tsirairay. info
التفاسير:

external-link copy
4 : 54

وَلَقَدۡ جَآءَهُم مِّنَ ٱلۡأَنۢبَآءِ مَا فِيهِ مُزۡدَجَرٌ

Nahazo vaovao izay nampitandrina azy anefa izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 54

حِكۡمَةُۢ بَٰلِغَةٞۖ فَمَا تُغۡنِ ٱلنُّذُرُ

Fahendrena tonga lafatra. Saingy tsy misy ilan’izy ireo ny fampitandremana. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 54

فَتَوَلَّ عَنۡهُمۡۘ يَوۡمَ يَدۡعُ ٱلدَّاعِ إِلَىٰ شَيۡءٖ نُّكُرٍ

Mialà amin’izy ireo ianao. Ny andro hiantsoan’ny mpiantso ho any amin’ny zavatra mampihoron-koditra. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 54

خُشَّعًا أَبۡصَٰرُهُمۡ يَخۡرُجُونَ مِنَ ٱلۡأَجۡدَاثِ كَأَنَّهُمۡ جَرَادٞ مُّنتَشِرٞ

Hivoaka avy any am-pasana izy ireo, hiondri-pijery; toy ny valala miparitaka. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 54

مُّهۡطِعِينَ إِلَى ٱلدَّاعِۖ يَقُولُ ٱلۡكَٰفِرُونَ هَٰذَا يَوۡمٌ عَسِرٞ

Hihazakazaka, hanalava tenda mankany amin’ny mpiantso, ka hiteny ireo tsy mpino hoe : “Andro sarotra tokoa ity ”. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 54

۞ كَذَّبَتۡ قَبۡلَهُمۡ قَوۡمُ نُوحٖ فَكَذَّبُواْ عَبۡدَنَا وَقَالُواْ مَجۡنُونٞ وَٱزۡدُجِرَ

Talohan’izy ireo, dia efa niampanga izany ho lainga ny vahoakan’i Noa, ka nolazainy ho mpandainga ny mpanomponay, ary hoy izy ireo : “ Adala izy io ! ”, ary dia voatosika izy. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 54

فَدَعَا رَبَّهُۥٓ أَنِّي مَغۡلُوبٞ فَٱنتَصِرۡ

Dia niantso ny Tompony izy hoe : “ Resy aho, ka apandreseo ! ” info
التفاسير:

external-link copy
11 : 54

فَفَتَحۡنَآ أَبۡوَٰبَ ٱلسَّمَآءِ بِمَآءٖ مُّنۡهَمِرٖ

Dia nosokafanay ireo varavaran’ny lanitra, ho amin’ny ranon'oram-baratra info
التفاسير:

external-link copy
12 : 54

وَفَجَّرۡنَا ٱلۡأَرۡضَ عُيُونٗا فَٱلۡتَقَى ٱلۡمَآءُ عَلَىٰٓ أَمۡرٖ قَدۡ قُدِرَ

Ary napoitranay avy amin'ny tany ireo loharano, ka nifanena ireo rano ireo araka ny fandaharana efa voafetra. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 54

وَحَمَلۡنَٰهُ عَلَىٰ ذَاتِ أَلۡوَٰحٖ وَدُسُرٖ

Dia noentinay tamin'ny zavatra vita amin’ny hazo, sy fantsika izy. info
التفاسير:

external-link copy
14 : 54

تَجۡرِي بِأَعۡيُنِنَا جَزَآءٗ لِّمَن كَانَ كُفِرَ

Nitsingevana teo ambany masonay ny valisoa ho an’ilay nolavina. info
التفاسير:

external-link copy
15 : 54

وَلَقَد تَّرَكۡنَٰهَآ ءَايَةٗ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ

Ary navelanay ho toy ny famantarana izany mba misy mieritreritra va ? info
التفاسير:

external-link copy
16 : 54

فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ

Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ? info
التفاسير:

external-link copy
17 : 54

وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ

Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ? info
التفاسير:

external-link copy
18 : 54

كَذَّبَتۡ عَادٞ فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ

Niampanga azy ho mpandainga ireo Aad. Nanao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ? info
التفاسير:

external-link copy
19 : 54

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ رِيحٗا صَرۡصَرٗا فِي يَوۡمِ نَحۡسٖ مُّسۡتَمِرّٖ

Nandefasanay rivo-mahery sady mamirifiry izy ireo, tamin’ny tonon’andro ratsy, tsy nanam-pahataperana. info
التفاسير:

external-link copy
20 : 54

تَنزِعُ ٱلنَّاسَ كَأَنَّهُمۡ أَعۡجَازُ نَخۡلٖ مُّنقَعِرٖ

Nongotany tahaka ny vodin-kazona palma miala amin’ny vahany ny olona. info
التفاسير:

external-link copy
21 : 54

فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ

Manao ahona ny famaizako sy ny fampitandremako ? info
التفاسير:

external-link copy
22 : 54

وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ

Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va ? info
التفاسير:

external-link copy
23 : 54

كَذَّبَتۡ ثَمُودُ بِٱلنُّذُرِ

Nataon’ireo Thamod ho lainga ny fampitandremana. info
التفاسير:

external-link copy
24 : 54

فَقَالُوٓاْ أَبَشَرٗا مِّنَّا وَٰحِدٗا نَّتَّبِعُهُۥٓ إِنَّآ إِذٗا لَّفِي ضَلَٰلٖ وَسُعُرٍ

Hoy izy ireo: “ Hanarak'olona avy eto amintsika ihany va isika ? Koa dia ho any amin’ny fahaverezana, sy ny hadalàna isika raha izany ". info
التفاسير:

external-link copy
25 : 54

أَءُلۡقِيَ ٱلذِّكۡرُ عَلَيۡهِ مِنۢ بَيۡنِنَا بَلۡ هُوَ كَذَّابٌ أَشِرٞ

Nalefa taminy irery va ny hafatra fa tsy tamintsika rehetra ? Tena mpandainga rain-dahiny tokoa io, be hambo sady miavonavona.” info
التفاسير:

external-link copy
26 : 54

سَيَعۡلَمُونَ غَدٗا مَّنِ ٱلۡكَذَّابُ ٱلۡأَشِرُ

Ho fantatr’izy ireo rahampitso izay mpandainga rain-dahiny, feno fiheboana sady miavonavona. info
التفاسير:

external-link copy
27 : 54

إِنَّا مُرۡسِلُواْ ٱلنَّاقَةِ فِتۡنَةٗ لَّهُمۡ فَٱرۡتَقِبۡهُمۡ وَٱصۡطَبِرۡ

Halefanay eo amin’izy ireo ny rameva vavy, ho fitsapana. Araho maso àry izy ireo, ka mahareta ianao. info
التفاسير:

external-link copy
28 : 54

وَنَبِّئۡهُمۡ أَنَّ ٱلۡمَآءَ قِسۡمَةُۢ بَيۡنَهُمۡۖ كُلُّ شِرۡبٖ مُّحۡتَضَرٞ

Lazao amin’izy ireo, fa ho zaraina aminy ny rano, ka samy hisotro isakan'ny anjaram-pisotroany izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
29 : 54

فَنَادَوۡاْ صَاحِبَهُمۡ فَتَعَاطَىٰ فَعَقَرَ

Nantsoin’izy ireo ilay namany, izay nandray (sabatra), ka namono azy. info
التفاسير:

external-link copy
30 : 54

فَكَيۡفَ كَانَ عَذَابِي وَنُذُرِ

Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako? info
التفاسير:

external-link copy
31 : 54

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ صَيۡحَةٗ وَٰحِدَةٗ فَكَانُواْ كَهَشِيمِ ٱلۡمُحۡتَظِرِ

Nandefa hiaka tokana tamin’izy ireo Izahay, ka indro fa tahaka ny mololo anaty vala izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
32 : 54

وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ

Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany. Mba misy mieritreritra va? info
التفاسير:

external-link copy
33 : 54

كَذَّبَتۡ قَوۡمُ لُوطِۭ بِٱلنُّذُرِ

Nataon’ny vahoakan’i Lota ho lainga ny fampitandremana. info
التفاسير:

external-link copy
34 : 54

إِنَّآ أَرۡسَلۡنَا عَلَيۡهِمۡ حَاصِبًا إِلَّآ ءَالَ لُوطٖۖ نَّجَّيۡنَٰهُم بِسَحَرٖ

Nandefa rivo-mahery tamin’izy ireo izahay, afa tsy tamin’ny fianakavian'i Lota, izay novonjenay talohan’ny mangiran-dratsy, info
التفاسير:

external-link copy
35 : 54

نِّعۡمَةٗ مِّنۡ عِندِنَاۚ كَذَٰلِكَ نَجۡزِي مَن شَكَرَ

Fahasoavana avy Aminay, toy izany no amalianay soa izay mahay mankasitraka. info
التفاسير:

external-link copy
36 : 54

وَلَقَدۡ أَنذَرَهُم بَطۡشَتَنَا فَتَمَارَوۡاْ بِٱلنُّذُرِ

Nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana avy Aminay anefa izy. Saingy nampisalasala azy ireo ny fampitandremana. info
التفاسير:

external-link copy
37 : 54

وَلَقَدۡ رَٰوَدُوهُ عَن ضَيۡفِهِۦ فَطَمَسۡنَآ أَعۡيُنَهُمۡ فَذُوقُواْ عَذَابِي وَنُذُرِ

Araka izany, dia nitady haka fanahy ireo vahinin'izy ireo, ka nataonay jamba ny masony : “Andramo ary ny Famaizako sy ny fampitandremako.” info
التفاسير:

external-link copy
38 : 54

وَلَقَدۡ صَبَّحَهُم بُكۡرَةً عَذَابٞ مُّسۡتَقِرّٞ

Vao maraina dia azon’ny famaizana maharitra izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
39 : 54

فَذُوقُواْ عَذَابِي وَنُذُرِ

Andramo àry ny famaizako sy ny fampitandremako. info
التفاسير:

external-link copy
40 : 54

وَلَقَدۡ يَسَّرۡنَا ٱلۡقُرۡءَانَ لِلذِّكۡرِ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ

Nataonay ho mora dinihina tokoa ny Koroany mba misy mieritreritra va ? info
التفاسير:

external-link copy
41 : 54

وَلَقَدۡ جَآءَ ءَالَ فِرۡعَوۡنَ ٱلنُّذُرُ

Tonga tamin’ireo olon’i Faraona tokoa ireo fampitandremana. info
التفاسير:

external-link copy
42 : 54

كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَا كُلِّهَا فَأَخَذۡنَٰهُمۡ أَخۡذَ عَزِيزٖ مُّقۡتَدِرٍ

Nataon’izy ireo ho lainga avokoa ny famantarana avy Aminay. Dia nosazianay izy ireo, amin’ny fanasazian’ilay tsitoha, ilay mahefa ny zavatra rehetra. info
التفاسير:

external-link copy
43 : 54

أَكُفَّارُكُمۡ خَيۡرٞ مِّنۡ أُوْلَٰٓئِكُمۡ أَمۡ لَكُم بَرَآءَةٞ فِي ٱلزُّبُرِ

Moa tsara kokoa noho izy ireny va ireo tsy mpino aminareo ? Sa misy fanafahana anareo tsy hanan-tsiny ao amin’ny raki-tsoratra ? info
التفاسير:

external-link copy
44 : 54

أَمۡ يَقُولُونَ نَحۡنُ جَمِيعٞ مُّنتَصِرٞ

Na hilaza izy ireo hoe : “Andehahitambatra isika, ary handresy.” info
التفاسير:

external-link copy
45 : 54

سَيُهۡزَمُ ٱلۡجَمۡعُ وَيُوَلُّونَ ٱلدُّبُرَ

Ho rava tsy ho ela ny fitambaran’izy ireo, ka samy handositra. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 54

بَلِ ٱلسَّاعَةُ مَوۡعِدُهُمۡ وَٱلسَّاعَةُ أَدۡهَىٰ وَأَمَرُّ

Fa ny Ora no hifamotoanan’izy ireo ka hahatsiravina tokoa ilay Orano sady hangidy. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 54

إِنَّ ٱلۡمُجۡرِمِينَ فِي ضَلَٰلٖ وَسُعُرٖ

Anatin’ny fahaverezana sy ny hadalana tokoa ireo mpanao ratsy. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 54

يَوۡمَ يُسۡحَبُونَ فِي ٱلنَّارِ عَلَىٰ وُجُوهِهِمۡ ذُوقُواْ مَسَّ سَقَرَ

Ny andro hitaritarihana azy ireo amin’ny tarehiny ao amin’ny afo (dia ho lazaina aminy hoe) : “Andramo ny fikasihana ny afobe.” info
التفاسير:

external-link copy
49 : 54

إِنَّا كُلَّ شَيۡءٍ خَلَقۡنَٰهُ بِقَدَرٖ

Nahary ny zavatra rehetra amin’ny antony Izahay. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 54

وَمَآ أَمۡرُنَآ إِلَّا وَٰحِدَةٞ كَلَمۡحِۭ بِٱلۡبَصَرِ

Ary tokana ihany ny baikonay toy ny indray mipi-maso. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 54

وَلَقَدۡ أَهۡلَكۡنَآ أَشۡيَاعَكُمۡ فَهَلۡ مِن مُّدَّكِرٖ

Nandringana vahoaka mitovy aminareo tokoa Izahay. Misy mba mahatsiaro izany va ? info
التفاسير:

external-link copy
52 : 54

وَكُلُّ شَيۡءٖ فَعَلُوهُ فِي ٱلزُّبُرِ

Ary voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izay nataon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
53 : 54

وَكُلُّ صَغِيرٖ وَكَبِيرٖ مُّسۡتَطَرٌ

Ka voatahiry avokoa ny zava-nitranga na kely na lehibe. info
التفاسير:

external-link copy
54 : 54

إِنَّ ٱلۡمُتَّقِينَ فِي جَنَّٰتٖ وَنَهَرٖ

Ho ao amin’ireo zaridaina sy renirano tokoa ireo vontom-pinoana. info
التفاسير:

external-link copy
55 : 54

فِي مَقۡعَدِ صِدۡقٍ عِندَ مَلِيكٖ مُّقۡتَدِرِۭ

Ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra marina eo anatrehan’ilay Tompo Mahefa ny zavatra rehetra. info
التفاسير: