قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى

بەت نومۇرى:close

external-link copy
43 : 14

مُهۡطِعِينَ مُقۡنِعِي رُءُوسِهِمۡ لَا يَرۡتَدُّ إِلَيۡهِمۡ طَرۡفُهُمۡۖ وَأَفۡـِٔدَتُهُمۡ هَوَآءٞ

Hihazakazaka manatona (amim-pitalahoana) izy ireo, hampitraka ny lohany amin’ny tahotra, hidiridiry ny mason’izy ireo, ary foana ny fon’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
44 : 14

وَأَنذِرِ ٱلنَّاسَ يَوۡمَ يَأۡتِيهِمُ ٱلۡعَذَابُ فَيَقُولُ ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ رَبَّنَآ أَخِّرۡنَآ إِلَىٰٓ أَجَلٖ قَرِيبٖ نُّجِبۡ دَعۡوَتَكَ وَنَتَّبِعِ ٱلرُّسُلَۗ أَوَلَمۡ تَكُونُوٓاْ أَقۡسَمۡتُم مِّن قَبۡلُ مَا لَكُم مِّن زَوَالٖ

Ary ampitandremo ireo olona amin’ny andro izay hatongavan’ny sazy amin’izy ireo, ary hiteny ireo mpanao ny tsy rariny ka hanao hoe : “ Ry Tomponay o ! Omeo fe-potoana fohy Izahay ! Mba hamalianay ny antsonao sy hanarahanay ireo Iraka ”. Tsy efa nianiana ve Ianareo teo aloha fa tsy tokony hanjavona mihitsy ? info
التفاسير:

external-link copy
45 : 14

وَسَكَنتُمۡ فِي مَسَٰكِنِ ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ أَنفُسَهُمۡ وَتَبَيَّنَ لَكُمۡ كَيۡفَ فَعَلۡنَا بِهِمۡ وَضَرَبۡنَا لَكُمُ ٱلۡأَمۡثَالَ

Ary Ianareo dia monina tao amin’ny fonenan’ireo izay mpanao ny tsy rariny tamin’ny tenan'izy ireo ihany, efa nasehonay taminareo miharihary ahoana ny fomba nanaovanay azy ireo, ary nomenay ohatra tamin’izany Ianareo. info
التفاسير:

external-link copy
46 : 14

وَقَدۡ مَكَرُواْ مَكۡرَهُمۡ وَعِندَ ٱللَّهِ مَكۡرُهُمۡ وَإِن كَانَ مَكۡرُهُمۡ لِتَزُولَ مِنۡهُ ٱلۡجِبَالُ

Efa tena nampiasa teti-dratsy izy ireo, kanefa ny teti-dratsin’izy ireo dia efa eo amin’i Allah, na dia afaka manafoana ireo tendrombohitra aza ny teti-dratsin’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
47 : 14

فَلَا تَحۡسَبَنَّ ٱللَّهَ مُخۡلِفَ وَعۡدِهِۦ رُسُلَهُۥٓۚ إِنَّ ٱللَّهَ عَزِيزٞ ذُو ٱنتِقَامٖ

Aza mihevitra fa i Allah dia hivadika amin’ny fampanantenana nataony tamin’ireo Irany. Marina fa i Allah ilay Mahery, Tompon’ny fahefana hanasazy. info
التفاسير:

external-link copy
48 : 14

يَوۡمَ تُبَدَّلُ ٱلۡأَرۡضُ غَيۡرَ ٱلۡأَرۡضِ وَٱلسَّمَٰوَٰتُۖ وَبَرَزُواْ لِلَّهِ ٱلۡوَٰحِدِ ٱلۡقَهَّارِ

Amin’ny Andro izay hanoloana ny tany ho hafa, ary toy izany koa ireo lanitra, ary izy ireo dia hiseho eo anatrehan’i Allah, ilay Tokana, Ilay Mpifehy Avo indrindra. info
التفاسير:

external-link copy
49 : 14

وَتَرَى ٱلۡمُجۡرِمِينَ يَوۡمَئِذٖ مُّقَرَّنِينَ فِي ٱلۡأَصۡفَادِ

Ary amin’izany andro izany dia ho hitanao ireo mpanao heloka be vava, voafatotra amin’ny rojo vy amin’ny sasany ny sasany. info
التفاسير:

external-link copy
50 : 14

سَرَابِيلُهُم مِّن قَطِرَانٖ وَتَغۡشَىٰ وُجُوهَهُمُ ٱلنَّارُ

Ny fitafin’izy ireo dia tena (godorao, tara), ary handrakotra ny tavan’izy ireo ny afo. info
التفاسير:

external-link copy
51 : 14

لِيَجۡزِيَ ٱللَّهُ كُلَّ نَفۡسٖ مَّا كَسَبَتۡۚ إِنَّ ٱللَّهَ سَرِيعُ ٱلۡحِسَابِ

Mba hamalian’i Allah ny tsirairay amin’ny asa izay vitany. Tena marina fa i Allah dia haingam-pitsara. info
التفاسير:

external-link copy
52 : 14

هَٰذَا بَلَٰغٞ لِّلنَّاسِ وَلِيُنذَرُواْ بِهِۦ وَلِيَعۡلَمُوٓاْ أَنَّمَا هُوَ إِلَٰهٞ وَٰحِدٞ وَلِيَذَّكَّرَ أُوْلُواْ ٱلۡأَلۡبَٰبِ

Ity dia fanambarana (Koroany) ho an’ny zanak’olombelona mba hitandreman’izy ireo amin’ny alalan’izany, ary mba ahafantaran’izy ireo ihany koa fa marina tokoa, fa Izy ilay Zanahary tokana (Allah), mba ahafantaran’ireo matsilo saina. info
التفاسير: