قۇرئان كەرىم مەنىلىرىنىڭ تەرجىمىسى - مالاغاشىيىچە تەرجىمىسى - رۇۋۋاد تەرجىمە مەركىزى

بەت نومۇرى:close

external-link copy
71 : 10

۞ وَٱتۡلُ عَلَيۡهِمۡ نَبَأَ نُوحٍ إِذۡ قَالَ لِقَوۡمِهِۦ يَٰقَوۡمِ إِن كَانَ كَبُرَ عَلَيۡكُم مَّقَامِي وَتَذۡكِيرِي بِـَٔايَٰتِ ٱللَّهِ فَعَلَى ٱللَّهِ تَوَكَّلۡتُ فَأَجۡمِعُوٓاْ أَمۡرَكُمۡ وَشُرَكَآءَكُمۡ ثُمَّ لَا يَكُنۡ أَمۡرُكُمۡ عَلَيۡكُمۡ غُمَّةٗ ثُمَّ ٱقۡضُوٓاْ إِلَيَّ وَلَا تُنظِرُونِ

Tantarao amin’izy ireo ny vaovao mahakasika i Noe (Noa), rehefa niteny izy, tamin’ireo vahoakany nanao hoe : " Oh ry vahoakako, raha mavesatra Aminareo ny fipetrahako eto Aminareo sy ny fampahatsiahivako ireo famantarana mahakasika an'i Allah, dia any amin’i Allah no hametrahako ny fitokisako. Atambaro ny hevitrareo sy ireo mpiombon’antoka aminareo ary aoka tsy afeninareo izay didy tapahanareo. Avy eo, tanterahanareo ny fanapahan-kevitra momba ahy ary aza avelanareo hiandry mihitsy aho. info
التفاسير:

external-link copy
72 : 10

فَإِن تَوَلَّيۡتُمۡ فَمَا سَأَلۡتُكُم مِّنۡ أَجۡرٍۖ إِنۡ أَجۡرِيَ إِلَّا عَلَى ٱللَّهِۖ وَأُمِرۡتُ أَنۡ أَكُونَ مِنَ ٱلۡمُسۡلِمِينَ

Raha mitodi-damosina Ianareo, dia tsy nangataka tambiny Aminareo Aho... tsy misy hanome tambiny Ahy afa-tsy i Allah irery ihany. Ary nodidiny Aho mba ho anisan’ireo mpanaiky Azy tanteraka ”. info
التفاسير:

external-link copy
73 : 10

فَكَذَّبُوهُ فَنَجَّيۡنَٰهُ وَمَن مَّعَهُۥ فِي ٱلۡفُلۡكِ وَجَعَلۡنَٰهُمۡ خَلَٰٓئِفَ وَأَغۡرَقۡنَا ٱلَّذِينَ كَذَّبُواْ بِـَٔايَٰتِنَاۖ فَٱنظُرۡ كَيۡفَ كَانَ عَٰقِبَةُ ٱلۡمُنذَرِينَ

Nolazain’izy ireo fa mpandainga Izy. Ka navotanay Izy sy ireo izay niaraka Taminy tao amin’ilay Sambo fiara ary nataonay ho mpandimby eto an-tany izy ireo. Ary narendrikay ireo izay nilaza fa lainga ireo porofonay. Ka jereo ahoana no niafaran’ireo izay nahazo fampitandremana ! info
التفاسير:

external-link copy
74 : 10

ثُمَّ بَعَثۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِۦ رُسُلًا إِلَىٰ قَوۡمِهِمۡ فَجَآءُوهُم بِٱلۡبَيِّنَٰتِ فَمَا كَانُواْ لِيُؤۡمِنُواْ بِمَا كَذَّبُواْ بِهِۦ مِن قَبۡلُۚ كَذَٰلِكَ نَطۡبَعُ عَلَىٰ قُلُوبِ ٱلۡمُعۡتَدِينَ

Ary taoriany, Izahay dia nandefa Iraka maro tamin’ny vahoakan’izy ireo. Tonga Taminy (vahoaka) niaraka tamin’ny porofo mazava izy ireo. Ka nefa tsy vonona hino izay efa nolazain’izy ireo fa lainga teo aloha izy ireo. Tahak’izany no hanidinay tanteraka ny Fon’ireo izay mpandika lalàna. info
التفاسير:

external-link copy
75 : 10

ثُمَّ بَعَثۡنَا مِنۢ بَعۡدِهِم مُّوسَىٰ وَهَٰرُونَ إِلَىٰ فِرۡعَوۡنَ وَمَلَإِيْهِۦ بِـَٔايَٰتِنَا فَٱسۡتَكۡبَرُواْ وَكَانُواْ قَوۡمٗا مُّجۡرِمِينَ

Avy eo dia nalefanay taorian’izy ireny i Moussa (Mosesy) sy i Harona (Arona) tamin’i Faraona sy ny loholony niaraka tamin’ireo porofonay. Ka nefa nanambony tena izy ireo ary izy ireo dia vahoaka efa mpanao heloka bevava. info
التفاسير:

external-link copy
76 : 10

فَلَمَّا جَآءَهُمُ ٱلۡحَقُّ مِنۡ عِندِنَا قَالُوٓاْ إِنَّ هَٰذَا لَسِحۡرٞ مُّبِينٞ

Rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana avy taty Aminay, dia niteny izy ireo hoe ka nanao hoe: : " Marina fa tena majika miharihary izany ”. info
التفاسير:

external-link copy
77 : 10

قَالَ مُوسَىٰٓ أَتَقُولُونَ لِلۡحَقِّ لَمَّا جَآءَكُمۡۖ أَسِحۡرٌ هَٰذَا وَلَا يُفۡلِحُ ٱلسَّٰحِرُونَ

Hoy i Moussa : “Moa miteny amin’ny fahamarinana va ianareo, raha tonga aminareo izy hoe : majika va izany? Nefa tsy mahomby velively ireo mpanao majika”. info
التفاسير:

external-link copy
78 : 10

قَالُوٓاْ أَجِئۡتَنَا لِتَلۡفِتَنَا عَمَّا وَجَدۡنَا عَلَيۡهِ ءَابَآءَنَا وَتَكُونَ لَكُمَا ٱلۡكِبۡرِيَآءُ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَمَا نَحۡنُ لَكُمَا بِمُؤۡمِنِينَ

Niteny izy ireo ka nanao hoe : moa ve tonga aty Aminay Ianao mba hampitodika Anay hiala amin’izay efa hitanay tamin’ireo razambenay, ka ho lasanareo roa lahy ny fahamboniana eto an-tany ? Ary Izahay dia tsy hino Anareo roa mihitsy. info
التفاسير: