Kur'an-ı Kerim meal tercümesi - Madagaskarca Tercüme - Rowad Tercüme Merkezi

Sayfa numarası:close

external-link copy
188 : 7

قُل لَّآ أَمۡلِكُ لِنَفۡسِي نَفۡعٗا وَلَا ضَرًّا إِلَّا مَا شَآءَ ٱللَّهُۚ وَلَوۡ كُنتُ أَعۡلَمُ ٱلۡغَيۡبَ لَٱسۡتَكۡثَرۡتُ مِنَ ٱلۡخَيۡرِ وَمَا مَسَّنِيَ ٱلسُّوٓءُۚ إِنۡ أَنَا۠ إِلَّا نَذِيرٞ وَبَشِيرٞ لِّقَوۡمٖ يُؤۡمِنُونَ

Teneno hoe : “Tsy manana ho an’ny tenako na ny soa na ny ratsy Aho, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Raha nahafantatra ny miafina aho dia ho nataoko maro an’isa ny soa ho azoko, ary tsy hisy ratsy hahazo Ahy akory. Tsy inona aho afa-tsy mpampitandrina sy mpilaza vaovao mahafaly ho an’ny vahoaka mino. info
التفاسير:

external-link copy
189 : 7

۞ هُوَ ٱلَّذِي خَلَقَكُم مِّن نَّفۡسٖ وَٰحِدَةٖ وَجَعَلَ مِنۡهَا زَوۡجَهَا لِيَسۡكُنَ إِلَيۡهَاۖ فَلَمَّا تَغَشَّىٰهَا حَمَلَتۡ حَمۡلًا خَفِيفٗا فَمَرَّتۡ بِهِۦۖ فَلَمَّآ أَثۡقَلَت دَّعَوَا ٱللَّهَ رَبَّهُمَا لَئِنۡ ءَاتَيۡتَنَا صَٰلِحٗا لَّنَكُونَنَّ مِنَ ٱلشَّٰكِرِينَ

Izy Ilay Nahary anareo avy tamin’ny vatana tokana, ary nataony avy amin’izany (vatana izany) ny vadiny, mba ho tony eo anilany izy, ary rehefa niray taminy izy, dia nitoe-jaza ankamorana ravehivavy izay mbola maivana taminy. Avy eo rehefa navesatra taminy izany, dia niara-nangataka tamin’ny Tompony izy roa nanao hoe : “Raha zaza Hendry no omenao anay, dia tena ho anisan’ireo mpankasitraka izahay. info
التفاسير:

external-link copy
190 : 7

فَلَمَّآ ءَاتَىٰهُمَا صَٰلِحٗا جَعَلَا لَهُۥ شُرَكَآءَ فِيمَآ ءَاتَىٰهُمَاۚ فَتَعَٰلَى ٱللَّهُ عَمَّا يُشۡرِكُونَ

Ary rehefa nomeny zaza hendry izy roa, dia indro fa nampitambatra an’I Allah tamin’ny hafa tamin’izay nomena azy izy roa. Nefa I Allah dia Ambony indrindra amin’izay atambatr’izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
191 : 7

أَيُشۡرِكُونَ مَا لَا يَخۡلُقُ شَيۡـٔٗا وَهُمۡ يُخۡلَقُونَ

Moa ve hanakambana (Azy) amin’izay tsy nahary zavatra na dia iray aza, ary izy ireo kosa dia nohariana, info
التفاسير:

external-link copy
192 : 7

وَلَا يَسۡتَطِيعُونَ لَهُمۡ نَصۡرٗا وَلَآ أَنفُسَهُمۡ يَنصُرُونَ

ary izy ireo (ireo sampy) dia tsy afaka hamonjy azy ireo (olombelona), ary na ny tenan’izy ireo aza tsy ho voavonjiny ? info
التفاسير:

external-link copy
193 : 7

وَإِن تَدۡعُوهُمۡ إِلَى ٱلۡهُدَىٰ لَا يَتَّبِعُوكُمۡۚ سَوَآءٌ عَلَيۡكُمۡ أَدَعَوۡتُمُوهُمۡ أَمۡ أَنتُمۡ صَٰمِتُونَ

ary raha antsoinareo ho amin’ny tari-dàlana izy ireo dia tsy hanaraka anareo velively izy ireo. Mitovy ihany ny vokany aminareo, na antsoinareo izy ireo na ianareo mangina. info
التفاسير:

external-link copy
194 : 7

إِنَّ ٱلَّذِينَ تَدۡعُونَ مِن دُونِ ٱللَّهِ عِبَادٌ أَمۡثَالُكُمۡۖ فَٱدۡعُوهُمۡ فَلۡيَسۡتَجِيبُواْ لَكُمۡ إِن كُنتُمۡ صَٰدِقِينَ

Marina fa ireo izay antsoinareo ankoatr’I Allah dia mpanompo mitovy aminareo. Antsoinareo àry izy ireo, ary aoka izy ireo hamaly ny antsonareo raha toa ka marina ny anareo. info
التفاسير:

external-link copy
195 : 7

أَلَهُمۡ أَرۡجُلٞ يَمۡشُونَ بِهَآۖ أَمۡ لَهُمۡ أَيۡدٖ يَبۡطِشُونَ بِهَآۖ أَمۡ لَهُمۡ أَعۡيُنٞ يُبۡصِرُونَ بِهَآۖ أَمۡ لَهُمۡ ءَاذَانٞ يَسۡمَعُونَ بِهَاۗ قُلِ ٱدۡعُواْ شُرَكَآءَكُمۡ ثُمَّ كِيدُونِ فَلَا تُنظِرُونِ

Moa ve manana tongotra hamindrana izy ireo ? Sa manana tànana hikapohana ? Na manana maso hijerena ? Sa manana sofina hihainoana ? Teneno hoe : “Antsoy daholo ireo mpikambana ao aminareo, avy eo homano ny tetika hamelezanareo Ahy, ary aza manome fe-potoana Ahy”. info
التفاسير: