ශුද්ධවූ අල් කුර්ආන් අර්ථ කථනය - මැලගසි පරිවර්තනය - රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානය

Al-jinn

external-link copy
1 : 72

قُلۡ أُوحِيَ إِلَيَّ أَنَّهُ ٱسۡتَمَعَ نَفَرٞ مِّنَ ٱلۡجِنِّ فَقَالُوٓاْ إِنَّا سَمِعۡنَا قُرۡءَانًا عَجَبٗا

Lazao hoe : "Nambara tamiko, fa nisy andian'ny djiny nanongilan-tsofina, ka niteny hoe: nandre vakiteny (kor'any) mahafinaritra tokoa izahay." info
التفاسير:

external-link copy
2 : 72

يَهۡدِيٓ إِلَى ٱلرُّشۡدِ فَـَٔامَنَّا بِهِۦۖ وَلَن نُّشۡرِكَ بِرَبِّنَآ أَحَدٗا

Izay mitarika ho amin'ny lalana mahitsy. Nino izany izahay, ka tsy hampitambatra ny Tomponay amin'ny hafa mihitsy. info
التفاسير:

external-link copy
3 : 72

وَأَنَّهُۥ تَعَٰلَىٰ جَدُّ رَبِّنَا مَا ٱتَّخَذَ صَٰحِبَةٗ وَلَا وَلَدٗا

Hamafisina, fa ny Tomponay, hankalazaina anie ny fahamboniany, dia tsy nanana vady na zanaka ! info
التفاسير:

external-link copy
4 : 72

وَأَنَّهُۥ كَانَ يَقُولُ سَفِيهُنَا عَلَى ٱللَّهِ شَطَطٗا

Ary nilaza zavatra tafahoatra mikasika an'I Allah ilay tsy misaina taminay. info
التفاسير:

external-link copy
5 : 72

وَأَنَّا ظَنَنَّآ أَن لَّن تَقُولَ ٱلۡإِنسُ وَٱلۡجِنُّ عَلَى ٱللَّهِ كَذِبٗا

Ary heverinay, fa na ireo olombelona na ireo djiny, dia tsy hilaza lainga mikasika an'I Allah mihitsy. info
التفاسير:

external-link copy
6 : 72

وَأَنَّهُۥ كَانَ رِجَالٞ مِّنَ ٱلۡإِنسِ يَعُوذُونَ بِرِجَالٖ مِّنَ ٱلۡجِنِّ فَزَادُوهُمۡ رَهَقٗا

Ary saingy nisy ireo lehilahy tamin'ireo olombelona nitady fiarovana tamin'ireo djiny lahy, nefa dia vao maika nampitombo ny fahorian'izy ireo izany. info
التفاسير:

external-link copy
7 : 72

وَأَنَّهُمۡ ظَنُّواْ كَمَا ظَنَنتُمۡ أَن لَّن يَبۡعَثَ ٱللَّهُ أَحَدٗا

Ary nihevitra tahaky ny fiheveranareo izy ireo, fa tsy hanangana olona amin'ny maty na oviana na oviana I Allah. info
التفاسير:

external-link copy
8 : 72

وَأَنَّا لَمَسۡنَا ٱلسَّمَآءَ فَوَجَدۡنَٰهَا مُلِئَتۡ حَرَسٗا شَدِيدٗا وَشُهُبٗا

Ary nahakasika ny lanitra izahay, ka nahita mpiambina mafy maro sy tain-kintana. info
التفاسير:

external-link copy
9 : 72

وَأَنَّا كُنَّا نَقۡعُدُ مِنۡهَا مَقَٰعِدَ لِلسَّمۡعِۖ فَمَن يَسۡتَمِعِ ٱلۡأٓنَ يَجِدۡ لَهُۥ شِهَابٗا رَّصَدٗا

Ary nipetraka nihaino teo izahay. Fa na iza na iza manongilan-tsofina mihaino ankehitriny, dia hifanehitra amin'ny tain-kintana izay hamely tampoka azy izy. info
التفاسير:

external-link copy
10 : 72

وَأَنَّا لَا نَدۡرِيٓ أَشَرٌّ أُرِيدَ بِمَن فِي ٱلۡأَرۡضِ أَمۡ أَرَادَ بِهِمۡ رَبُّهُمۡ رَشَدٗا

Ary tsy fantatray, na tiana hasian-dratsy ny mponin'ny tany, na tian'ny Tompony ho amin'ny lalana mahitsy izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
11 : 72

وَأَنَّا مِنَّا ٱلصَّٰلِحُونَ وَمِنَّا دُونَ ذَٰلِكَۖ كُنَّا طَرَآئِقَ قِدَدٗا

Ary misy aminay no tsara fitondran-tena, fa misy kosa ny tsy toy izany, nizara ho antoko samihafa izahay. info
التفاسير:

external-link copy
12 : 72

وَأَنَّا ظَنَنَّآ أَن لَّن نُّعۡجِزَ ٱللَّهَ فِي ٱلۡأَرۡضِ وَلَن نُّعۡجِزَهُۥ هَرَبٗا

Ary fantatray tokoa fa tsy afaka ny tsy hampanan-kery an'I Allah eny ambonin'ny tany izahay, ary tsy afaka ny tsy hampanan-kery Azy ihany koa amin'ny fandosirana. info
التفاسير:

external-link copy
13 : 72

وَأَنَّا لَمَّا سَمِعۡنَا ٱلۡهُدَىٰٓ ءَامَنَّا بِهِۦۖ فَمَن يُؤۡمِنۢ بِرَبِّهِۦ فَلَا يَخَافُ بَخۡسٗا وَلَا رَهَقٗا

Fa rehefa nandre ny tari-dalana izahay dia nino izany, ka izay mino ny Tompony dia tsy matahotra ny fihenan'ny valisoa na ny fanaporetana. info
التفاسير: