ශුද්ධවූ අල් කුර්ආන් අර්ථ කථනය - මැලගසි පරිවර්තනය - රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානය

පිටු අංක:close

external-link copy
207 : 26

مَآ أَغۡنَىٰ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يُمَتَّعُونَ

Tsy nahavita na inona na inona amin’izy ireo, ireo fahafinaretana izay nomena azy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
208 : 26

وَمَآ أَهۡلَكۡنَا مِن قَرۡيَةٍ إِلَّا لَهَا مُنذِرُونَ

Ary tsy mandringana tanàna Izahay raha tsy efa nisy ireo mpampitandrina ao aminy. info
التفاسير:

external-link copy
209 : 26

ذِكۡرَىٰ وَمَا كُنَّا ظَٰلِمِينَ

Ho fampahatsiahivana ity, ary Izahay dia tsy mba mpanao ny tsy rariny. info
التفاسير:

external-link copy
210 : 26

وَمَا تَنَزَّلَتۡ بِهِ ٱلشَّيَٰطِينُ

Ary tsy mba ireo satana no nidina niaraka tamin’ity (Kor’any ity). info
التفاسير:

external-link copy
211 : 26

وَمَا يَنۢبَغِي لَهُمۡ وَمَا يَسۡتَطِيعُونَ

Ary tsy mendrika ho azy ireo izany, no sady tsy manam-pahefana (amin’izany) izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
212 : 26

إِنَّهُمۡ عَنِ ٱلسَّمۡعِ لَمَعۡزُولُونَ

Satria izy ireo dia tena nohalavirina amin’ny fihainoana (ny hafatra masina). info
التفاسير:

external-link copy
213 : 26

فَلَا تَدۡعُ مَعَ ٱللَّهِ إِلَٰهًا ءَاخَرَ فَتَكُونَ مِنَ ٱلۡمُعَذَّبِينَ

Ka aoka ianao tsy hiantso Tompo hafa miaraka amin’I Allah, raha tsy izany dia ho anisan’ireo ho faizina ianao. info
التفاسير:

external-link copy
214 : 26

وَأَنذِرۡ عَشِيرَتَكَ ٱلۡأَقۡرَبِينَ

Ary ampitandremo (ry Mohammady) ireo havanao akaiky. info
التفاسير:

external-link copy
215 : 26

وَٱخۡفِضۡ جَنَاحَكَ لِمَنِ ٱتَّبَعَكَ مِنَ ٱلۡمُؤۡمِنِينَ

Ampidino ny elatrao (aoka ianao halemy fanahy) amin’ireo mpino izay manaraka anao. info
التفاسير:

external-link copy
216 : 26

فَإِنۡ عَصَوۡكَ فَقُلۡ إِنِّي بَرِيٓءٞ مِّمَّا تَعۡمَلُونَ

Ary raha tsy mankatò anao izy ireo, dia teneno hoe : “Izaho dia mitsipaka izay ataonareo”. info
التفاسير:

external-link copy
217 : 26

وَتَوَكَّلۡ عَلَى ٱلۡعَزِيزِ ٱلرَّحِيمِ

Ary ankino amin’Ilay Tsitoha, Ilay be Indrafo ny fitokisanao. info
التفاسير:

external-link copy
218 : 26

ٱلَّذِي يَرَىٰكَ حِينَ تَقُومُ

Izay mahita anao rehefa mitsangana ianao. info
التفاسير:

external-link copy
219 : 26

وَتَقَلُّبَكَ فِي ٱلسَّٰجِدِينَ

Sy ny fihetsikao eo anivon’ireo mpiankohoka. info
التفاسير:

external-link copy
220 : 26

إِنَّهُۥ هُوَ ٱلسَّمِيعُ ٱلۡعَلِيمُ

Izy no Ilay tena Maheno sy Mahalala . info
التفاسير:

external-link copy
221 : 26

هَلۡ أُنَبِّئُكُمۡ عَلَىٰ مَن تَنَزَّلُ ٱلشَّيَٰطِينُ

Ho lazaiko anareo ve amin’iza no midina ireo satana ? info
التفاسير:

external-link copy
222 : 26

تَنَزَّلُ عَلَىٰ كُلِّ أَفَّاكٍ أَثِيمٖ

Midina amin’izay rehetra be famoronan-dainga sy be fahotana izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
223 : 26

يُلۡقُونَ ٱلسَّمۡعَ وَأَكۡثَرُهُمۡ كَٰذِبُونَ

Mampandry sofina izy ireo nefa ny ankamaroan’izy ireo dia mpandainga avokoa. info
التفاسير:

external-link copy
224 : 26

وَٱلشُّعَرَآءُ يَتَّبِعُهُمُ ٱلۡغَاوُۥنَ

Fa ireo mpanao tononkalo kosa, dia manaraka azy ireo avy izay very lalana. info
التفاسير:

external-link copy
225 : 26

أَلَمۡ تَرَ أَنَّهُمۡ فِي كُلِّ وَادٖ يَهِيمُونَ

Moa ve tsy hitanao fa izy ireo dia mirenireny isaky ny lohasaha. info
التفاسير:

external-link copy
226 : 26

وَأَنَّهُمۡ يَقُولُونَ مَا لَا يَفۡعَلُونَ

Ary izy ireo dia miteny izay tsy ataony. info
التفاسير:

external-link copy
227 : 26

إِلَّا ٱلَّذِينَ ءَامَنُواْ وَعَمِلُواْ ٱلصَّٰلِحَٰتِ وَذَكَرُواْ ٱللَّهَ كَثِيرٗا وَٱنتَصَرُواْ مِنۢ بَعۡدِ مَا ظُلِمُواْۗ وَسَيَعۡلَمُ ٱلَّذِينَ ظَلَمُوٓاْ أَيَّ مُنقَلَبٖ يَنقَلِبُونَ

Afa-tsy ireo izay mino sy manao ireo asa soa, ary mahatsiaro matetika an’I Allah sy miaro tena amin’ny tsy rariny izay natao azy ireo. Ary ho fantatr’ireo izay nanao ny tsy rariny fa fiverenana toy inona no hiverenan’izy ireo ! info
التفاسير: