ශුද්ධවූ අල් කුර්ආන් අර්ථ කථනය - මැලගසි පරිවර්තනය - රුව්වාද් පරිවර්තන මධ්‍යස්ථානය

පිටු අංක:close

external-link copy
80 : 16

وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّنۢ بُيُوتِكُمۡ سَكَنٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّن جُلُودِ ٱلۡأَنۡعَٰمِ بُيُوتٗا تَسۡتَخِفُّونَهَا يَوۡمَ ظَعۡنِكُمۡ وَيَوۡمَ إِقَامَتِكُمۡ وَمِنۡ أَصۡوَافِهَا وَأَوۡبَارِهَا وَأَشۡعَارِهَآ أَثَٰثٗا وَمَتَٰعًا إِلَىٰ حِينٖ

Ary nataon’i Allah fonenana ho Anareo ny tranonareo, ary nataony ho Anareo ny trano vita amin’ny hoditry ny biby, izay maivana ho Anareo amin’ny Andro andehananareo sy amin’ny Andro hipetrahanareo. Ary avy amin’ny volon’izy ireo sy ny rambon’izy ireo, ary ny vombon’izy ireo, (hanaovanareo) ireo fanaka sy fitaovana izay hifalianareo mandritry ny fotoana voafetra. info
التفاسير:

external-link copy
81 : 16

وَٱللَّهُ جَعَلَ لَكُم مِّمَّا خَلَقَ ظِلَٰلٗا وَجَعَلَ لَكُم مِّنَ ٱلۡجِبَالِ أَكۡنَٰنٗا وَجَعَلَ لَكُمۡ سَرَٰبِيلَ تَقِيكُمُ ٱلۡحَرَّ وَسَرَٰبِيلَ تَقِيكُم بَأۡسَكُمۡۚ كَذَٰلِكَ يُتِمُّ نِعۡمَتَهُۥ عَلَيۡكُمۡ لَعَلَّكُمۡ تُسۡلِمُونَ

Ary i Allah dia nanao avy amin’izay nohariany ny aloka mba ho anareo. Ary nataony ho anareo ny tendrombohitra ho fialofana. Ary nataony ho anareo ny akanjo ho fiarovana amin’ny hafanana, ary koa ny akanjo (vy) miaro anareo amin’ny lozan’ny ady. Tahaka izany no hamenoany ny fahasoavany eo aminareo, angamba ianareo hanetri-tena. info
التفاسير:

external-link copy
82 : 16

فَإِن تَوَلَّوۡاْ فَإِنَّمَا عَلَيۡكَ ٱلۡبَلَٰغُ ٱلۡمُبِينُ

Raha nanome lamosina izy ireo, dia ny fampitana ny hafatra mazava tsara no adidinao. info
التفاسير:

external-link copy
83 : 16

يَعۡرِفُونَ نِعۡمَتَ ٱللَّهِ ثُمَّ يُنكِرُونَهَا وَأَكۡثَرُهُمُ ٱلۡكَٰفِرُونَ

Mahafantatra ny fahasoavan’i Allah izy ireo. Avy eo, dia lavin’izy ireo izany. Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mankasitraka. info
التفاسير:

external-link copy
84 : 16

وَيَوۡمَ نَبۡعَثُ مِن كُلِّ أُمَّةٖ شَهِيدٗا ثُمَّ لَا يُؤۡذَنُ لِلَّذِينَ كَفَرُواْ وَلَا هُمۡ يُسۡتَعۡتَبُونَ

Ary amin’ny Andro izay hanangananay vavolombelona avy amin’ny vahoaka tsirairay, dia tsy omena alàlana (hiala tsiny) intsony ireo tsy mpino, ary tsy angatahana hiverina (amin’izay nahatezitra an’i Allah) izy ireo. info
التفاسير:

external-link copy
85 : 16

وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ ظَلَمُواْ ٱلۡعَذَابَ فَلَا يُخَفَّفُ عَنۡهُمۡ وَلَا هُمۡ يُنظَرُونَ

Ary rehefa hitan’ireo mpanao ny tsy rariny ny famaizana, dia tsy ahazo fanalefahana amin’izany izy ireo, ary tsy ahazo fialan-tsasatra ihany koa. info
التفاسير:

external-link copy
86 : 16

وَإِذَا رَءَا ٱلَّذِينَ أَشۡرَكُواْ شُرَكَآءَهُمۡ قَالُواْ رَبَّنَا هَٰٓؤُلَآءِ شُرَكَآؤُنَا ٱلَّذِينَ كُنَّا نَدۡعُواْ مِن دُونِكَۖ فَأَلۡقَوۡاْ إِلَيۡهِمُ ٱلۡقَوۡلَ إِنَّكُمۡ لَكَٰذِبُونَ

. Ary raha hitan’ireo mpampikambana Allah amin’ny zavatra hafa ireo mpiara-miombon’antoka (sampy) amin’izy ireo, dia hiteny izy ireo hanao hoe : “ Tomponay ô ! Ireo no mpiara-miombon’antoka Aminay izay nitalahoanay ankoatra Anao ”.Dia hamaly izy ireo (ireo mpiara-miombon’antoka) ka hanao hoe : “ Tena mpandainga tokoa Ianareo ”. info
التفاسير:

external-link copy
87 : 16

وَأَلۡقَوۡاْ إِلَى ٱللَّهِ يَوۡمَئِذٍ ٱلسَّلَمَۖ وَضَلَّ عَنۡهُم مَّا كَانُواْ يَفۡتَرُونَ

Ary hatolotr’izy ireo ho an’i Allah amin’io Andro io ny fankatoavana, ary hiala amin'izy ireo izay noforoniny. info
التفاسير: